Marary saina an-dalambe Vonona handray an-tànana ny CUA Tinah - TopicsExpress



          

Marary saina an-dalambe Vonona handray an-tànana ny CUA Tinah Mercredi 07 août 2013 Ny adalan’ny olona tokoa hiomehezana fa ny adalan’ny tena dia tafian-damba, hoy ny ohabolan’ny ntaolo, manoloana ny tranga ahitàna adala manao fihetsika mampiomehy. Ankehitriny anefa, sarotra ho an’ny ankamaroan’ny fianakaviana manana ireny adala ireny ny tsy afaka “manafy lamba” intsony azy ireny. Izay no anisan’ny antony mahamaro ny marary saina tazana an-dalambe ankehitriny. Mirihoriho mameno ny arabe eto an-drenivohitra ireo marary saina tato ho ato ary hita fa miaha mitombo ny isan’izy ireo. Anisan’izy ireny ohatra ilay ramatoa iray mpanavatsava ny arabe hiazo ny “tunnel” Ambohijatovo, miaraka amin’ny volo ratsy hogo. Torak’izany koa ny lehilahy lehibe manodidina ny 30 taona iray, mitafy lamba matevina miloko “beige” nefa hita fa miha mainty noho ny loton tàzana matetika amin’ny lalan’ny 67ha mihazo an’Isotry iny. Eo ihany koa ilay tovolahy kely iray mihazakazaka tsy hay hoe nahoana fa dia manao mandroso mihemotra ny lalan’Ambanidia iny. Afaka ny handray an-tànana ireny ny kaominina, saingy ireo izay narian’ny havany na tsy manana mpiahy sy ireo izay ahina ahavanin-doza ihany aloha hatramin’izao no raisiny an-tànana. Rariny tokoa izany satria ny PDS-n’Antananarivo no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fihadidina ny tanàna. Raha mbola misy kosa ireo fianakaviana mpiahyny dia miverina any amin’ireo fianakaviana ireo ny andraikitra. Na dia izany aza, ny CUA dia miara-miasa akaiky amin’ny hopitaly fitsaboana marary saina, toy ny etsy Anjanamasina. ”Manolotra akanjo ho an’ireo marary saina mahery fihetsika tsy misy mpiahy izahay ato amin’ny kaominina. Ao koa ny sakafo sy lamba firakotra. Fa raha ny resaka fanafody kosa indray dia ny toeram-pitsabona no miantoka izany”, hoy ny fanazavan-dRaharinandrasana Hajatiana, tale misahana ny Fiahiana ny fiainana’ny mponina sy ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Antso antarobia Ny vahoaka malagasy iray manontolo dia samy tompon’andraikitr’ireo tranga rehetra miseho eny enivon’ny fiaraha-monina misy azy rehetra eny. Raha misy olona iray voadarok’ilay marary saina ohatra, ny tsirairay dia manana fahafahana mampandre ny manampahefana manodidina azy na ny kaominina Antananarivo renivohitra. «Antso indray mandeha dia tonga eny an-toerana tsisy hatak’andro ny mpitandro ny filaminana ary mitondra avy hatrany ilay marary saina any amin’ny toeram-pitsabona manandrify an’izany », hoy dokotera Raharinandrasana Hajatiana. « Tsara ihany koa ny mampahafantatra fa ireny marary saina mivezivezy eny an-dalambe ireny dia tsy nampahafantarina ny mpitandro ny filaminana sy ny kaominina », nanamafy ny mpitsabo. Amin’ny lafiny iray, maro karazana ny endrika hisehoan’ny herisetra mety aterak’ireny mamary saina ireny ary mazàna, indrindra indrindra, tsy ampoizina. « Nihinana mofo teny an-dàlana mihazo an’Analakely iny aho indray mandeha. Tampokateo anefa, nisy ramatoa iray nisintona ny mofo tety an-tanako sady nidaroka ny lamosiko. Tsy hitako intsony izay natao fa na ny làlana nizorako aza tsy fantatro intsony. Mbola tsy nahatsiharo ho natahotra mafy toy izany ny tenako nandritra ny androm-painako”, hoy Ranjatiana Priscilla, mitantàra ny nanjo azy. Na izany na tsy izany, mbola ho lavitr’ezaka ny fandraisana andraikitra mikasika ireny tsy salama saina mirenireny ireny. Antenaina ny fandraisan’ny tsirairay andraikitra. lanation.mg/article.php?id=5719
Posted on: Wed, 07 Aug 2013 09:55:05 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015