Nisy namako soedoa PV nitsidika ofisialy teto mada, dia nitsidika - TopicsExpress



          

Nisy namako soedoa PV nitsidika ofisialy teto mada, dia nitsidika ny filohan ny cst izahay, avy eo nanao velakevitra ho an ny mpampianatra sy ny mpianatra momba ny olimpiady matematika tao amin ny ens ampefiloha izy. Tao amin ny karibotel izy no nivantana. Alohan ny hodiany, dia nandehandeha teny amin ny pavillon izahay, Vao niainga tao amin ny hotely mihintsy dia efa niteny azy aho mba tsy hitondra na inona na inona fa sao tratry ny mpangaropaosy. Fa hoy izy: Aza manahy fa efa mpivezivezy eran ny afrika aho ka haiko tsara izany. Andao handeha fa izaho no mpiambina anao androany fa aza manahy. Izaho: - Ndao ary! PV: -I will be your body-guard ! Izy rahateo lava vaventy. Dia izahay nivezivezy iny, ny camera eny antanany, no nikitika ny soroko izy no sady niteny hoe: Fanja, two pickpockets turn around us, i will show you them! Please don t move. Dia nijanona aho. -Look at that guy at the corner with a blue cap! he follows us, then he crosses us and walks fastly. Natahotra aho nilazany izay. Tamin izany nalaza be ny hoe tsindronin ny mpisam antsy na vonoiny mihintsy ny vazaha. Avy eo iny nisy tovolahy hafa nifanena taminay, dia hoy izy: here is the other one! Dia nandalo anay ilay tovolahy dia tampoka teo, io nandalo teo akaikinay ilay nanao kaskety manga. Dia lasa. Izy naka sary soa amantsara azy roalahy sy ny fihetsiny, izaho amin io efa matahotra ihany fa sao dia maromaro ireo olona ireo no miaraka. -Izaho, hoy izy, mbola te hiakatra amin iry tohatohabato iry, sady notondroiny ny tohatohabaton Ambondrona. Izaho: -Tsiiiiia, ny hitako mety izao dia andao ho eny amin ny digy fa any misy taozavatra Malagasy maro azo isafidianana. PV: -Matahotra angaha i Fanja? Izaho: Ny tena marina, efa te hiala eto aho fa tsy matiko lolo izao! Soa ihany ianao fa nahatsikaritra azy reo. PV: -Rehefa izany ary, izay itondranao ahy alehako daholo, na any amin ny lanitra aza, my darling! hahaha! Dia nandray fiara izahay, nilaozanay teo Analakely fa roso ny dia ho eny amin ny taozavatra eny amin ny digy. PV:Itony modely itony efa hitako tany tanzania, iretsy penseurs iretsy tany senegal, itony indray dia izay tsena eto afrika dia misy azy. Fa nareo angaha tsy manana ny mampiavaka anareo? Izaho: Iretsy misy tintin a Mada, iretsy misy fanorona, kilalao anay manokana, sao dia mahaliana anao? PV:nan! Izaho: -Ny petakofehy ve tianao? PV: Manavesatra ny entako sady tsy mahaliana ahy ! Izaho: Ary ny vato? PV:nan! Ny zavatra nanintona azy dia hazo tsy vita sikotra hatramin ny farany , valiha ngeza be, vanilina ary vangovango vita amin ny tandroka maromaro. Dia izay no novidiany ! Nony niverina izahay dia nasainy nijanona nakany sary ireo olona mpanao kifafa eo amin ny digy ireo. Fa ny tsy foiny fa novidiany dia ny labiera thb, nitondra maromaro mihintsy izy no sady nampiany hoe : Io no labiera hitako tsara indrindra tamin ny labiera nosotroiko erantany. Ho azy, firenena 80 tany ho any no efa notsidihany teto ambonin ny tany...
Posted on: Sat, 13 Jul 2013 19:00:40 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015