FETY Kanto loatra koa raha kanto ; Ity andro androany ity Fa - TopicsExpress



          

FETY Kanto loatra koa raha kanto ; Ity andro androany ity Fa olo-maro no milanto ; Sy indreo mirebika mandihy ...Ao ny mikotaba mafy ; Mikorana sy mifaly Tsy mba misy miafiafy ; Ka toa lavitry ny jaly ...Hirahira re,izany ! Ny poezia,tsy hay lazaina Fa fety hono ny androany ; Ka miravoravo ny aina. ...Saingy tsy hitahita akory ; Ilay masoandro dia nidify Ka nilentika natory ; Tanaty raho-menafify ...Ary indro niala moramora ; Ireto olo-maro nivahiny Fa efa tonga hono ny ora ; Hamonjeny ny fodiany ...Avia anie tazano kosa ; Ireo tavoahangy izay nirenty Fako maro no niavosa ; Fa efa vita teo ny fety...! R.A.TAN
Posted on: Mon, 27 Oct 2014 03:12:09 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015