Hitsangana hanohitra ny fitiavan- tena sy ny - TopicsExpress



          

Hitsangana hanohitra ny fitiavan- tena sy ny avonavona. “Hitsangana hanohitra na inona na inona maneho azy ho fahotana, ny fitiavan-tena sy ny avonavona. Raha isika, samy irery, dia tsy maharesy ny fanirian- dratsy sy ny fahazaran-dratsy izay miezaka hanjaka amintsika. Tsy resintsika ilay fahavalo mahery izay mitàna antsika ho andevony. Andriamanitra irery no manome antsika fandresena .... Nefa tsy afaka miasa ao amintsika Izy raha tsy manaiky sy miara-miasa Aminy isika”. Rehefa izany rehetra izany, vao afaka isika “... hihazakazaka amin’ ny faharetana amin’ izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’ i Jesosy, Tompon’ ny finoantsika sy Mpanefa azy...” (Hebreo 12:1,2). Iray amin’ ireo zana-baratra i Jakoba. Ho niantso afo hilatsaka avy an-danitra izy sy i Jaona rahalahiny handevona ireo izay tsy vonona hanaiky an’ i Jesosy sy ireo mpianatra tao amin’ ny tanànany. Afaka nanova izany rehetra izany anefa Jesosy ka fantatr’ i Jakoba izany asa tanteraky ny faharetana ary namela izao toro-hevitra izao izy: “...ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy ho tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona” (Jakoba 1:4). Ellen GW
Posted on: Tue, 04 Mar 2014 18:41:06 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015