IO FITIAVANA IO Izay rehetra aleha n’aiza n’aiza eto - TopicsExpress



          

IO FITIAVANA IO Izay rehetra aleha n’aiza n’aiza eto an- tany Dia fitiavana avokoa no tsinjonao tsy mety lany Io fitiavana io mantsy no nampisy ahy sy ianao Io fitiavana io koa no iainantsika hatramin’izao Ny fitiavana lazaiko dia fitiavana ao anaty Mipololotra avy ao ampo ary koa tsy mety maty Ny fitiavana tononiko dia ny fitiavanao Tanora Na ny antitra aza moa miaina izany moramora F’ireo tanora marobe no mankalaza ny andro androany Ny manam-pitiavana ihany koa dia tsy ambaka na dia izany Fa isika indrindra indrindra dia mankamamy ny Fitia Hankalazaina izany anio nohon’ny fo mifankatia F’izay rehetra aleha anio noho io Fitiavana io Dia misy olona ankiroa, mifampizara ny ampo Tena sambatra ery, ny fo roa no miara- dia Tena tsisy ny toa azy ka ny tanjony ho “mpivady” (?) Ny tena kanto tsara indrindra no fanomezana omeny Ny hahafaly ny olon-tiany izay no iriny sy kendreny Fa tokana tokoa ‘lay fitia ka sarobidy N’iza n’iza eto antany tsy mba misy mahavidy Ka moa iainanao izany anio ry tanora izay toa ahy Sa ny fitiavanao matory, ary osa tsy mba sahy Hatokano ny andro androany ho an’ilay notiavinao Ho an’ilay neken’ny fo ho antoky ny fiainanao Ka atolory ary anio izay rehetra sitrakao Mba ho mariky ny fo izay nifidy ilay anao Fa ny fonao izay tena tia no aoka hanolotra fitia Mba ho mendrika azy izany, azy irery hatrany(2) Ka fifaliana no aoka hisy, ny adiady re reseo Ny fandeferana tandrovy, ny fanajana koa tefeo Fa tsy misy toy izany raha fitiavana eto antany Sarobidy ny andro anio noho io Fitiavana io Tiavina
Posted on: Wed, 10 Jul 2013 17:09:15 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015