MOFONAINA androany zoma, 08 Novembre 2013 MANANTENA - TopicsExpress



          

MOFONAINA androany zoma, 08 Novembre 2013 MANANTENA FAHASAMBARANA NY MINO I Petera, 4 : 12-19 « Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany; fa araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ny fisehoan’ny voninahiny koa. Sambatra hianareo, raha haratsiana noho ny anaran’i Kristy; fa ny Fanahin’ny voninahitra, dia ny Fanahin’Andriamanitra, mipetraka ao aminareo. Fa aoka tsy hisy eo aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an’olona. Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an’Andriamanitra amin’izany anarana izany izy. Fa tonga ny andro hiantombohan’ny fitsarana hatrao amin’ny ankohonan’Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy manaiky ny filazantsaran’Andriamanitra? Ary ,, raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan’ny ratsy fanahy sy ny mpanota?’’ (Ohabolana, 11 : 31). Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon’Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an’Ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy. »
Posted on: Fri, 08 Nov 2013 05:03:24 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015