Ny Fahalalana ("Epignosis") Azy ·__________________________ - TopicsExpress



          

Ny Fahalalana ("Epignosis") Azy ·__________________________ alahady, septambra 1 · Efa nomen’ny herin’Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany (2 Petera 1:3). Ny teny hoe "fahalalana" voalaza etsy ambony dia avy amin’ny teny Grika hoe "epignosis," izay midika hoe "tena izy" na "fahalalana marina"; "fahalalana feno hatrany amin’ny fakany." Izany hoe fahazoana feno, fahafantarana feno na fahatsapana; ary fantatrao daholo ny momba Azy. Izany no fahalalana tian’Andriamanitra hananantsika. Ny Soratra Masina etsy ambony dia milaza hoe: nantsoina tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany isika; izany hoe fiainamboninahitra, haja, fahamendrehana sy fahatanterahana; fa diniho ny fomba fiasan’izany fiainana izany: amin’ny alalan’ny fahalalana "epignosis" Azy ihany. Ny Fanahy Masina, amin’ny alalan’I Paoly Apostoly, dia maneho amintsika ny fomba ahazoana izany fahalalana an’Andriamanitra izany, tamin’ny vavaka nataony ho an’ny fiangonana: "Mba homen’Andriamanitr’I Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny voninahitra, ho anareo ny fanahin’ny fahendrena sy ny fanambarana amin’ny fahalalana Azy tsara, ary mba hampahiratina ny mason’ny sainareo…" (Efesiana 1:17). Inona no dikan’izany? Milaza Izy hoe, rehefa fantatrao tsara Andriamanitra amin’ny alalan’io karazam-pifandraisana na fahafantarana manokana io, dia omeny fahafahana hahita ny tena fiainana marina ianao. Marina tokoa, Andriamanitra dia efa nanendry anao ho amin’ny fiainana misy haja, fahamendrehana sy fahatanterahana, kanefa arakaraky ny hianaranao mikasika Azy, handinihanao ny Teny, no mampivoaka ny zava-miafina sy ny fomba fandehanana ao anatin’izany ho tonga azonao tsapaina. Mampahatsiaro fahamarinana iray ao amin’ny 2 Petera 1:2: "Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika." Ny teny hoe fahalalana eto dia mbola "epignosis." Noho izany, ho fanampin`ny fiainana feno haja, mendrika sy tanteraka, ny fahasoavana sy ny fiadanana dia ampitomboina ao amin’ny fiainanao koa rehefa misaina lalina ny tenin’Andriamanitra ianao. Vavaka Noho ny filomanosako ao anatin’ny Teny, dia tonga amin’ny fahalalana lalina an’Andriamanitra aho sy Jesosy Tompo; manana fahaizana manavaka tsara sy fahazoana ny zavatra arapanahy aho satria nampahazavaina ny mason’ny fanahiko, mba hahalala ny fanantenana amin’ny fiantsoana ahy sy ny voninahitry ny lovan’Andriamanitra ho an’ny olona masina, amin’ny Anaran’I Jesosy. Amen. Fandalinana: 2 Petera 3:18; Filemona 1:5-6 : 1 Korintiana 15:35-58 Ohabolana 8-9 : Lioka 20:9-18 1 Samoela 20
Posted on: Sun, 01 Sep 2013 19:46:15 +0000

Recently Viewed Topics




© 2015