Odriiiiy ! Matahotra ny ainy sy ny fianakaviany indray hono ry - TopicsExpress



          

Odriiiiy ! Matahotra ny ainy sy ny fianakaviany indray hono ry reto ireo manamboninahitra jeneraly dia izany hono no mahatonga azy ireo hisakana hatramin’ny farany ny fanatanterahana ny fihaonana an-tampony eo amin’ireo filoha efadahy, indrindra ny fampodiana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Odriiiy ! F’angah nanao ratsy re olona sa henjehan’ny eritreritra ? Izay izany ilay tonga amin’ny hiran’i Red Metal hoe : « casque fotsiny io e ! Fa ny ao anatiny paok’aty ! ». Tsotra fotsiny ny fahitan’ny vahoaka ny fihetsik’izy ireo: tsy miraharaha ny fahoriam-bahoaka ireto manamboninahitra mpanongam-panjakana ireto sady tsy mila fampihavanana. Tsotra ny resaka, ekeo fotsiny ny fampihavanana tarihin’ny FFKM, aza mitsabatsabaka amin’ny tsy tokony hidirana tahaka ny tamin’ny fampiharana ny Tondrozotra ary ampirimo any ambany kidoronareo any ny ‘krimôzena. Mahavariana tokoa mantsy raha manamboninahitra jeneraly, vavolombelon’ny tantaram-pirenena no manadino ny zava-nisy teto nanomboka ny taona 1972. Izao ka manjary hoe matahotra ny ainy sy ny fianakaviany. Odriiiy! Tsy ny vahoaka izay efa naneho ny fahendreny niharitra ny jadona sy ny fampahantrana natao azy nandritra izay efatra taona naha teo amin’ny fitondrana anareo mianakavy izay mihitsy no ndeha hamaly faty na hanao ratsy anareo. Ireo manamboninahitra nampidirinareo am-ponja ho fiarovana ny sezan’ny Champion angaha no tsy fantatra! Ampahafirin’ny fitaintainan’ny vahoaka koa anefa izany adin-tsainareo izany e! Odriiiy! Ny anareo aza vorontsiloza no atao ro matsatso, ny an’ny vahoaka na izay hohaniny androany aza tsy mbola hitany rahampitso. Ianareo irery angaha no manana fianakaviana eto amin’ity Tanindrazana iombonana ity e? Dia mba ahoana hoy ianareo ny fianakavian’ny olona very asa, ireo tsy manam-bola hitsaboan-tena, ireo tsy mihinan-kanina, ireo mandry an-driran’antsy noho ny tsy fandriampahalemana, sns. Odriiiy! Aiza re ‘zany e!
Posted on: Sat, 06 Jul 2013 11:14:59 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015