Onitiana Realy « Ry vahoaka, aza manaiky horebireben-dRajoelina - TopicsExpress



          

Onitiana Realy « Ry vahoaka, aza manaiky horebireben-dRajoelina intsony » Vendredi, 23 Août 2013 Avy hatrany dia tany am-bovonana, izay no azo hamintinana ny fandraisana anjaran’ny tale jeneralin’ny TV Plus, Onintiana Realy, tao amin’ny fandaharana Demôkrasia Mivantana omaly. “Androany aho dia milaza amin’ny vahoaka aza manaiky horebireben-dRajoelina intsony, fihatsaram-belatsihy daholo no nataony nanomboka ny taona 2009”, hoy ity mpanao gazety mpitantana ny TV Plus ity. Tsy vitan’izany, nambaran’i Onitiana Realy fa ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina avokoa no tena fototr’izao fikatsoan’ny firenena izao ary ny tenany no nanakorontana tsy nahafahana nanatanteraka ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny faha-24 jolay 2013, tamin’ny alalan’ny filatsahan-kofidiana taorian’ny fe-potoana voafetran’ny lalàna hanaterana ny antontan-taratasy. Mbola i Andry Rajoelina ihany koa no nifampiraharaha tamin’ireo kandidà roa, Kolo Rogers sy Jules Etienne, tamin’ny fanolorana ny ministry ny Vola, Hery Rajaonarimampianina, ho kandidà filoham-pirenena. Fialan-dRajoelina? Raha dinihana iny fanambarana nataon’ny tale jeneralin’ny TV Plus iny dia toa milaza fa tsy hisy fifidianana azo antoka madio sy mangarahara eto amin’ny firenena rahatoa ka mbola eo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina sy nyforongony. Izy ireo mantsy, hoy ihany i Onitiana Realy no mahita tombotsoa amin’izao fitarazohan’ny krizy izao. “Aiza no hisy olona tsy voafidim-bahoaka manapitra mandà iray (dimy taona) izany!”, hoy hatrany ny talen’ny TV Plus. Mateti-piteny io tsy fahombiazan’ny fitondrana jadon-dRajoelina io ihany koa ny gazety La Nation ary efa nilaza fa tsy vonona hiroso amin’izany fifidianana izany mihitsy ny filohan’ny FAT sy ny forongony. Nambaran’ny La Nation (vakio Kof’Roc pejy faha-12 nivoaka ny alarobia 21 aogositra 2013) fa “misôsy” ao anatin’izao rafitra nampahantra vahoaka izao avokoa ireo mpanao politika sy ny miaramila tsy an-kanavaka ary samy manana tombotsoa ny hitarazohan’ny krizy noho ireo tombotsoa maro. Rahoviana kosa àry ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena vao hahatsapa izany tsy fahombiazana izany ka hanambara ny tsy tokony hijanonan-dRajoelina eo amin’ny fitondrana? lanation.mg/article.php?id=6007
Posted on: Fri, 23 Aug 2013 10:19:32 +0000

Trending Topics



/div> csexpress.com/Black-Friday-Cyber-Monday-Invicta-Mens-0456-Pro-Diver-Collection-topic-298701493664757">Black Friday & Cyber Monday Invicta Mens 0456 Pro Diver Collection
Perspectives for 24 November, 2013 End violence against women,
So, I was on my way home after work, it was rainin, and in the
Jó 8 - 1. ENTÃO respondendo Bildade o suíta, disse: 2. Até
Ashley Argoon of The Border Mail named the 2013 Walkley Young

Recently Viewed Topics




© 2015