Salama daholo, tafaverina eto aminny pejy indray isika rehefa tsy - TopicsExpress



          

Salama daholo, tafaverina eto aminny pejy indray isika rehefa tsy nitafa elaela. Ankafizo ary. Kilema sy tomika Maro ny kilemako tsy nampoizinao nony tapa-kevitra hanaiky ilay fitiavako Be koa ny tomika tsy ninoako akory ho nisy taminao nony injay isika fa tafara-dalana. Voafitako ianao... Voalainganao ny foko... Kanefa dia ireny marina aza moa no nahatonga antsika mainka hifankatia ary hifamikitra ho afa-mifameno. Satria ianao ihany no toka-mahazaka ny fahotana vitako Ary izaho irery no hany ampoizinao ho afaka mamela ny helokao rehetra. Mifankatia isika! Rado 30 Novambra 1994
Posted on: Wed, 19 Feb 2014 17:16:57 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015