basy-tsy-mipoaka Te-hanamarina ny hala-pihinana ven. 28 juin - TopicsExpress



          

basy-tsy-mipoaka Te-hanamarina ny hala-pihinana ven. 28 juin 2013 Io kifonofono io hatrany no mahavoa antsika ! Tsy maninona mihitsy, na ho tetezina daholo aza ny firenena rehetra ao anatin’ny vondrona SADC sy ny firenena maneran-tany, mba hivorivoriana ho an’ny raharaha malagasy, raha toa ny tombotsoan’ny Gasy (tokoa) no tadiavina. Ny filohan’ny tetezamita rahateo dia efa nanaiky teo imason’ny rehetra fa ataony izany, ho fanamporofoiny ny fitiavan-tanindrazana ao aminy. Saingy indrisy, fa tsy ho an’ny Gasy ny hevitra narovana fa ho amin’ny fankatoavana ny « hala-pihinana » izay nandrombahana ny fahefam-panjakana fa zary lasa haingitraingitra fotsiny. Fikarohana fatratra ny haneken’ny sehatra iraisam-pirenena fa « marina » sy tsy manan-tsiny ny mpitarika ny fitondrana teo amin’ny fandrodanany ny fanjakana voafidim-bahoaka teto. Ankehitriny koa dia nanangan’ady amin’ny sehtra iraisam-pirenenana indray, satria tokony hiray hina ny malagasy rehetra ho fanohanana ny olona eo amin’ny fitondrana. Raha tsy vita izany dia hisy inona? Tsy azo saintsainina mihitsy ny mbola hiverenan’ilay Ramose niongana iny raha ny ato ho ato ? Dia voaporofo indray io fa ny hanalavitra ny tavany no tena politikan’ny « fitoniana » raha ny hevitry ny mpitarika ny tetezamita ankehitriny. Tsy te-hifanatrika aminy ? Fa tsotra ihany no antony hanaovana teny ho amin’ny firaisankina : Haderadera amin’ny mpiatazana fa efa tena misokatra amin’ny hery hafa sy tsy mitanila intsony ny fahefam-pitondrana eto ka mendrika ny hampiana sy hovatsiana vola, na koa mendrika ny hangorahana sy hiatrana; ary indrindra indrindra dia tokony tsy ho kianina intsony fa efa mitondra ny tenin’ny Gsy sy izay rehetra any am-pony. Raha marina izany fanjohian-kevitra izany dia tsy nilaina akory ny fitsidihana any anivon’ny faritra sy hanaovana ny fitokanana isan-tokony ireny, satria tsy maintsy hitady sy hangetaheta ny firaisankina ny olompirenena tsirairay. Miafina an-dRamose ireo rehetra mpanao politika Gasy rehetra nahatsapa fa lalan-diso no nizorany. Raha mbola azon’izy rehetra ato ny « miala ilany » dia ataony izany. Raha tsorina ny tiany ho lazaina dia tsy mahazo miverina mody an-tanindrazana ilay Ramose, na iza na iza mitaky izany satria efa miray hina sy efa azo antoka ny firaisankinan’ny Gasy eto an-tanindrazana. Vita iny ny fanamarihana ny fahaleovantenantsika, kanefa inona indray izao no hatao? Inona no tena ataontsika? Fifidianana inona tokoa no mamaha ny olantsika? Mbola ady hevitra tokony hatao ve izany? newsmada/index.php/editorial/19324-sans-compromis
Posted on: Fri, 28 Jun 2013 20:24:52 +0000

Trending Topics



v>
We have exterminated the property owners in Russia. We are going
Grab 3 ASSORTED items for 999, 3 DRESSES for only 1099!!! CUT OFF:
--------------- Apel Lelang --------------- 1. Masuk Perjuangan
ACTAS DE INSPECCION.- PARA SU VALIDEZ REQUIEREN ESTAR DEBIDAMENTE
Barak allahoulaki wa barak allah aleyki wa jamaha baynakouma fil

Recently Viewed Topics




© 2015