Alarobia 18 Septambra Aza malahelo ..., ary aza tezitra amin’ny - TopicsExpress



          

Alarobia 18 Septambra Aza malahelo ..., ary aza tezitra amin’ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ, fa hamonjy aina no nandefasan’Andriamanitra ahy hialoha anareo.—Gen. 45:5. Nialona an’i Josefa ny rahalahiny ka nivarotra azy ho andevo. Nofitahin-dry zareo ny rainy avy eo hoe matin’ny bibidia i Josefa. (Gen. 37:4, 28, 31-33) Nampian’i Jehovah i Josefa, ka lasa praiminisitra tany Ejipta. Izy no manam-pahefana ambony indrindra nanarakaraka an’i Farao. Tonga tany ny rahalahiny rehefa nisy mosary nefa tsy nahafantatra azy, angamba noho izy nanao akanjo ejipsianina. (Gen. 42:5-7) Azony natao tsara àry ny namaly faty, satria nampijaly azy sy ny rainy ireo rahalahiny ireo. Tsy nanao izany anefa izy, fa niezaka nihavana tamin’izy ireo. Rehefa hitany hoe tena nanenina izy ireo, dia nolazainy hoe izy no Josefa, ka nilaza ireo teny ao amin’ny andinin-teny anio izy. Ary nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo amin’ny vozon’izy ireo.—Gen. 45:1, 15. w11 15/8 3:15, 16
Posted on: Wed, 18 Sep 2013 07:00:11 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015