Aoka. Itsy olona itsy... tsy ianao mihitsy no fanamperana - TopicsExpress



          

Aoka. Itsy olona itsy... tsy ianao mihitsy no fanamperana mahasolo toerana ny efa niserana, Aoka d ho tsorina, aoka tsy haorina ny efitranonao tonga d ravao Tonga d esory, taninolona, sa hiantsoko fokonolona? ...Ay ! Ka esory, aringano, raha tsy te hahita angano Aoka,aoka azafady dieny mbola tsy mpivady na d mbola tsisy ady d aoka, hifarana sahady Aoka,dieny mbola vao manomboka, dieny mbola tsy voatomboka ny Kase manamarina, d aoka,tsy hitarina Fa sao voamaika loza,sao voamaika ratsy, ndana ianao, aoka fa tsy satry ny hiara-dia, aoka,zaho tsy tia Satria tsy ianao mihitsy no lalana mahitsy hizorako, aoka, atahorako ! Avelao, aoka fa tsy ianao no fahasambarako, aoka,fafao ny tantarako Ajanony, zany d onòny fa sao tara loatra, aoka fa toa tafahoatra Aza d misisika, aza mba mirisika, mahalalà tsy tiana ny foko aza iangaviana Aoka fa tsy ianao, aoka ihany sao ho nenina, zay,aza sarotra tenenina Fa lasa ianao...moramora aza miherikerika fa zaho tsy hanakora ka tonga d lasa, aza mba mikasa Lasa,miverena, ny foko aza terena fa tsy tiako, aoka, zay no fiangaviako Aoka,fa tsy ianao, no hitsiry anatiko ao, sarotra,tsy vitako,sady koa tsy sitrako, ka lasa ianao tsy ho hitako Azafady e, tena tsy ianao, efa olon-kafa tsotra zao, aoka ,fa tsy Anjarako, Zay,ndana hadinoy ny Anarako. Faby 10Fev2014
Posted on: Mon, 03 Mar 2014 08:15:36 +0000

Trending Topics



="stbody" style="min-height:30px;">
BECOME A PART OF ESSENS FAIRY TAIL! THIS IS YOUR NEW START? DONT
Rasheed’s anger has gotten worse. He came downstairs while

Recently Viewed Topics




© 2015