Lesona Lehibe 6 : NY ANDRO FANAVOTANA Tsianjery: Iza no - TopicsExpress



          

Lesona Lehibe 6 : NY ANDRO FANAVOTANA Tsianjery: Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka sady mandalo ny fahadisoanny sisa aminny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, fa tia famindrampo. Hamindra fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny fahotantsika - eny, harianao ho any aminny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.-Mika 7:18,19. Fizarana Alahady NY FANADIOVANA ISAN-TAONA Vakio ny Lev. 16:16,30. Inona no diovina aminny Andro Fanavotana? Nafindra tao aminny fitoerana masina nandritra ny taona ny fahotana sy ny fahalotoana ara-pombam-pivavahana rehetra. Tonga miaraka aminny Andro Fanavotana ny fotoana fanesorana azy ireo. Misy fizaràna telo lehibe ny Andro Fanavotana: 1. Ny fanatitra hanadiovana ny mpisorona. Namono ombilahy anankiray ny mpisoronabe noho ny fahotany, nanao izay hahazoany antoka fa madio izy raha miditra ao aminny fitoerana masina sy manatanteraka ny fanompoam­pivavahana ho fanadiovana azy (ny Fitoerana Masina). 2. Ny fanadiovana aminny alalanny fanaterana ho fanatitra ilay osilahy «ho ani Jehovah» (Lev. 16:9). Nandritra ny taona ireo fanatitra fanadiovana dia Hitondra ny fahotanny Isiraelita rehetra ho ao aminny fitoerana masina. Ny Andro Fanavotana no fotoana anesorana ireo ao aminny Fitoerana Masina; izany fanadiovana izany dia tanterahiny aminny alalanny ranllay osilahy ho ani Jehovah. 3. Ny fombam-pivavahana famongorana ny ota aminny alalanilay osilahy velona ho ani Azazela. TianAndriamanitra hesorina avy ao aminny fitoerana masina sy avy ao aminny toby ny fahotanny vahoakany. Noho izany, dia misy osilahy hafa iray alefa velona ho any anefitra. Vakio ny Lev. 16:15. Inona no nitranga taminio osilahy io, ary maneho ara-tandindona inona izy? Koa satria tsy nisy na fiaiken-keloka na fametrahan-tanana natao taminilay osilahy ho ani Jehovah, dia tsy mba mpitondra fahotana izany ny rany. Araka izany dia tsy nandoto izy fa nanadio. Ny vokany dia voalaza mazava tsara ao aminny andininy faha-16 sy 20. Nanao fanavotana taminny alalanny ranllay osilahy ho ani Jehovah ny mpisoronabe ho fanadiovana ny fitoerana masina manontolo. Mahasikasika koa ny fanadiovana ny vahoaka io fomba fanadiovana io ka rehefa voadio ho afaka aminny fahotanny vahoaka ny fitoerana masina dia voadio ihany koa ny vahoaka. Aminio heviny io dia tokana tsy misy toa azy ny Andro Fanavotana fa aminio andro io ihany no anadiovany ny fitoerana masina sy ny vahoaka. Ny Andro Fanavotana no ampahany faharoa aminny fanavotana izay misy dingana roa. Taminny ampahany voalohany, nandritra ny taona, dia voavela heloka ny Isiraelita. Tsy nofafana tsy akory ny fahotanizy ireo fa nankinina taminAndriamanitra, Izay nampanantena fa Izy mihitsy no handray an-tanana ny raharaha mikasika azy ireo. Tsy misy fifandraisana firy aminny famelan-keloka ny dingana faharoa; efa voavela heloka rahateo ny vahoaka. Ny zava-misy dia izao: tsy ahitana velively ny matoanteny hoe «mamela heloka» ao aminny Lev. 16 na ao aminny toko 23:27-32. Ny asehonizany amintsika dia izao, ny drafi-panavotana manontolo dia mihoatra lavitra noho ny famelana tsotra fotsiny ny helotsika, toe-javatra anankiray izay manana hevi-dalina raha azo mazava tsara ny tontolon-kevitra midadasika manodidina ny ady lehibe ifanandrinanny tsara sy ny ratsy.
Posted on: Sun, 03 Nov 2013 03:09:18 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015