Mety hilaza angamba ianao hoe iza intsony moa No hafaka hamonjy - TopicsExpress



          

Mety hilaza angamba ianao hoe iza intsony moa No hafaka hamonjy ahy, aleoko mamoy fo Jehovah no efa manana, manana lalana Tsy hitondra loza, fa hitondra fahasoavana Na betsaka aza ny olona manenjika anao Toy ny tendrombohitra sy havoana ny olanao Manana fatokiana fa aza malahelo ianao Ny famonjena antsika anie avy any andanitra Na faly eo anoloana aza ny fahavalonao Minia tsy te-hahalala anao intsony ny havanao Aza maninona azy ianao, ny Tompo no jereo Jehovah hiady ho anao, ho menatra izy ireo Na hataony hatraminy ainao aza izay tsy zakanao Na ho esorina aminao aza izay tianao Aza mitomany fa andeha re mivavaha Izay mahasoa antsika anie hain’Andriamanitra Na isan’andro vaky izao aza toa kivy ianao Toa mihodina sy maizina avokoa izay hitanao Eny malahelo ianao, mitaraina noana Raha hisy koa ny farany, tsisy fanantenana ho foana Na fahoriana ranomasina aza mbola ho tony Ny olana, tendrombohitra ireo mbola hietry Ny aretina toa havoana ho tonga tany lemaka Raha Jehovah miasa ts’isy hahasakana
Posted on: Sun, 24 Nov 2013 19:22:14 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015