TANTARANNY TARIKA RZALA Novambra 2005 : Niforona ny tarika « - TopicsExpress



          

TANTARANNY TARIKA RZALA Novambra 2005 : Niforona ny tarika « r’zalà » ,ka ny mpikambana tao tamin’izany dia telo (03) mirahalahy (Liva – José –Andry), ka ny hira navoaka voalohany t@izany izay niaraka t@raki-tsary dia MANASA ANAO sy ‘NDAO LAHY. Mai 2006 : Nivoahan’ny Album voalohan’ny tarika izay nirakitra hira folo (10) 2006 : Nanao concert ny tarika niaraka t@Njakatiana – Mika sy Davis – Heritiana …, izay fampisehoana nokarakarain’ny Media Consulting tao Antsonjombe. 2007 : Noho ny onjam-piainana dia lasa tany an-dafy i Andry, tsy hoe akory niala tao @tarika izy fa mbola ao anatin’ny tarika “r’zalà” ary h@izao ; rehefa lasa anefa i Andry dia niditra tao anatin’ny tarika i Tanjona. I Tanjona moa dia tovolahy iray izay anisan’ny nifaninana tamin’ny fifaninanan-kira izay nokarakarain’ny fahitalavitra tsy miankina iray teto Madagasikara. 2008 : - Nanao Guest ny tarika tamin’ny concert nataon’ny Njakatiana tao amin’ny Palais de Sport sy tany Antsirabe (Kianja Tsarasaotra). Nanao Cabaret lehibe tao @ CEMES Soanierana ihany koa, izay niarahana t@Toto Mwandjani - Mika sy Davis … - Natao reprise ny 1ère album, ka niampy Bonus izay hira nisy ny feon’ny Tanjona; ka io reprise io dia nirakitra hira roambinifofo (12), ka anisan’ny nanampiana an’io album natao reprise io ny « Niova jery – Nofim-pitia – Mozika gasy - … ». Marihanay eto fa tsy mbola 2ème album n’ny tarika « r’zalà » akory io fa reprise n’ilay 1ère album ihany, izany hoe mbola album voalohany ihany io. 2010 : Niampita ranomasina ihany koa i Tanjona, ka na teo aza izay tsy nahateo an’ni Tanjona izay dia tsy nakakivy an’I Liva sy José izay sisa tavela teto Madagasikara, fa mbola nanohy hatrany ny mozika. Tsy hoe akory niala tsy ho ao anatinny tarika intsony Tanjona fa noho ny fitadiavana mahazaka maniraka dia izay no tsy maha ao antinny tarika azy, fa rehefa tonga eto Madagasikara na sendra tafaraka dia miaraka @tarika ihany izy. 2012 : Na dia somary nangingina aza ny tarika teo alohan’io taona io dia niketrika foana ka namoaka ny « INDRAMIKO » , ka ny Volana Aogositra no vita ny rakitsarin’io hira io. 2013 : anefa vao navoaka @télé io rakitsarin’ny “INDRAMIKO” io, sy naparitaka t@ onjam-peo io hira io, tsy nijanona hatreo anefa fa mbola namoaka ny “AVO INDRINDRA” sy “SARIN’ANJELY” ny volana Novambra. Io hira mitondra ny lohateny hoe : « Avo indrindra » io dia anisanny hira fiderana an’Andriamanitra, tsy hoe akory vao sambany no namorona hira fiderana ny tarika fa efa nisy talohan’io izay mitondra ny lohateny hoe « Vavaka » izay ao anatin’ny album voalohany. Ho avy tsy ho ela ny hira vaovao manaraka an’io.
Posted on: Sun, 24 Nov 2013 19:13:27 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015