14.10.2014 - Tonga an-tanindrazana nefa voasambotra Atoa Marc - TopicsExpress



          

14.10.2014 - Tonga an-tanindrazana nefa voasambotra Atoa Marc Ravalomanana! Voasambotra Atoa Marc Ravalomanana: Hatao sesitany any Nosy lava? ti1ca/z3v22fzy-vif-03-141014-Tonga-an-tanindrazana-nefa-voasambotra-Atoa-Marc-Ravalomanana-vif_03_141014_Tonga-an-tanindrazana-nefa-voasambotra-Atoa-Marc-Ravalomanana.wmv.html Taoriany valala sy afo niaka-dapa, toy ny varadatsaka indray no nandraisany filoha Hery Rajaonarimampianina ny vaovao nilaza ny fahatongavanAtoa Marc Ravalomanana teto an-tanindrazana. Hita soritra teny aminy hatezerana araka izay lazainireo manodidina azy. Najanona daholo ireo fandaharam-potoana mahazatra voatery nitady vahaolana etsy sy eroa. Tsy ankijanonana ny serasera sy ny antso isankarazany aminny finday, mitambesatra ny hakiviana, mivaralila tanteraka ireo tandapa. Matahotra ny handray andraikitra ny maro, tsy misy sahy nipoitra ny tompinandraikitra na koa ireo mpikambana governemanta, voatery ny filoha sy ny talenny kabinetra fiadidiana ny Repoblika Henry Bary Njaka no nandray andraikitra nitondra fanazavana. Tsy tazana ny praiminisitra, tsy nisy hita ka sahy niloa-peo ireo mpikambana governemanta. Ny minisitra Kolo-tsaina Vaonalaroy Randrianarisoa sady mpitondra teny governemanta dia nanome rariny ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. «Zony tanteraka ny miverina eto antanindrazany!» fanambarana mifanohitra tanteraka taminizay nataony filoha Hery Rajaonarimampianina. Kianinireo tompinandraikitra fiarahamonim-pirenena ny zava-misy sy ny fitavozavozanireo mpitondra. Tany tsy misy fanjakana, mpitondra samy manao ny ataony miteraka izao goragora sy korontana rehetra eto aminny firenena izao hoy izy ireo. «Hanao izay tratry ny aiko aho hanelanelana mba hampihavana filoha Rajaonarimampianina sy filoha Ravalomanana» hoy minisitra Roland Ravatomanga tao aminny RFI. Miakatra ny hatezeranireo zanaki Dada, manome fepotoana ny mpitondra izy ireo mba hamotsorana sy hamelana malalaka ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Araka ny vaovao voaray etsy sy eroa, mety any avaratra andrefanny Madagasikara any ny toerana hametrahana azy ho sesitany. Any Nosy lava any hono hoy ny sasany! Raha izay tokoa mampahatsiaro ireo mpianatra ho dokotera nitokona taminny taona 72 ary nalefa natao sesitany tany Nosy lava, fanapahan-kevitra nitarika ny faharavanny fitondrana taminizany fotoana izany. https://facebook/video.php?v=1508946522687017&set=vb.1498785717036431&type=2&theater
Posted on: Tue, 14 Oct 2014 21:28:53 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015