DEOTERONOMIA 11.26-32 FITAHIANA SA OZONA ? Ry havana, Homba - TopicsExpress



          

DEOTERONOMIA 11.26-32 FITAHIANA SA OZONA ? Ry havana, Homba anareo mandrakariva anie Jesoa Tompo. Manao antso ho an’ny Israely ary mampahatsiaro ny Fitahiana sesehena sy ny fahasoavana mahagaga nataon’Andriamanitra tamin’ny nitondrana azy ireo niala avy an’i Egypta sy ny famakivakiana ny tany efitra ny mpanoratra ny Deoteronomia eto. Tsy lovan-tsaina na lovantsofina ho an’ny jiosy ihany izany, fa tena fampahatsiarovana ny asa mahagaga sy ny famonjen’Andriamanitra ny olony. Antso sy fampahatsiarovana ho an’ny kristiana ankehitriny koa izany, fa na dia mamakivaky ny efitry ny fizahan-toetra aza, dia tsy mbola nanary ny Tompo. Ny famindrampony no mbola mampaharitra sy mampitoetra antsika ary anantenana fa mitahy izay rehetra mino Azy ny Tompo. Ao amin’ny tany Kanana ny zanak’Israely ary asaina misafidy ny lalan-kombana ho amin’ny tsara na hanohitra ka hanaraka ny fanaon’ny hafa firenena hanompo sampy ka handray ny fanozonana. Safidy mipetraka ho an’ny zanak’Isarely nefa ho an’ny Kristiana koa izany : Na ny Fitahiana na ny Ozona. 1-MIFIDY NY FIAINANA Mampahatsiaro ny Israely ny amin’izay efa nitondran’Andriamanitra izay nanafaka sy namonjy niala avy tany Egypta sy ny famakivakiana ny efitra ny mpanoratra. Ampahatsiarovina fa ny Fitiavan’Andriamanitra no nahatonga ny fanafahana. Tao amin’ny fijaliana sy ny fangirifirian’ny fanandevozana no nampanantenana ny Fitahiana sy ny Fiainana ho an’ny mino ka nanafahana’Andriamanitra azy ireo. Ny tendrombohitr’i Gerzima nanehoana ny toerana hihainoana ny Fitahiana izay tononina ho an’ny Israely ary ny tendrombohitra Ebala hanambarana ny fanozonana ho an’izay tsy manaiky ny Sitrapon’ Andriamanitra. Ny filazana ireo tendrombohitra roa ireo dia endrika fototra ny fizaran-tany tany Paletsina ka hanonona ny Fitahiana na hilazana fanozonana. Aseho miharihary fa ny ho avy rehetra teo amin’ny vahoaka izay efa nohafahan’ Andriamanitra ka tonga eo amin’ny tany nampanantenaina, dia miankina amin’ny safidy, fitahiana ho an’izay mitoetra ho mahatoky ka mihaino sy mandray ho an’ny tenany ary manao ny Sitrapon’Andriamanitra velona, ozona kosa ho an’izay mivadika ny fenekeny an’Andriamanitra izay efa nanafaka azy. Ny Fiangonana, ny kristiana efa nahafantatra, nohafahana tamin’ny ota dia antsoina hahatsiaro lalandava izay efa nataon’Andriamanitra ho azy tamin’ny nahatongavan’i Jesoa Kristy. Ampahafantarina fa ny Fitiavan’Andriamanitra no fanantenam-pitahiana ho an’izay rehetra mino. Ny mifanohitra amin’izany dia ny tsy fankatoavana, ny fihodinana ary ny tsy fanekena hanaraka ny Sitrapon’Andriamanitra. Raha manantena fitahiana isika, dia maneke koa ny Sitrapon’Andriamanitra ka ho velona amin’ny finoana ary hiodina ka hankahala ny ratsy rehetra mbamin’ny fanompoana andriamani-tsy Izy. 2-FITAHIANA FENO OMENA NY MINO Safidy mazava no napetraky ny Tompo teo anoloan’ny zanak’Israely : « Fitahiana na Ozona ». Ny fanozonana mitondra ho amin’ny fahafatesana, ny fijaliana mitohy, ny tsy fahafahana miaina finaritra fa tonga fadiranovana noho ny tsy fankatoavana sy ny ditry ny fo ary ny tsy finoana. Ny Fitahiana mitondra fiainana, filaminana, fiadanana, fahavokaran’ny atao ary izany dia omen’Andriamanitra ny mankato ny Sitrapony. Ny fihainoana sy ny finoana ny Tenin’ny Tompo izay tari-dàlana ho an’ny manaraka Azy no mitondra ny fahafenoan’ny fitahiana.« Ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon’ny Tompo Andriamanitrao ianao. » (Deot.11.27) Mipetraka eo anoloantsika àry ny safidy na ny Fitahiana na ny Ozona, ary miampita amintsika io fanambaran’ ny Soratra Masina io fa tsy ho an’ny zanak’Israely ihany. Koa mifidiana fiainana, dia handray ny fitahiana isika raha mankato izay lazain’ny Tenin’ Andriamanitra. Fa ny fiainantsika, ny fanarahana ny Tenin’Andriamanitra ka hialantsika amin’ny ratsy rehetra sy hanoherantsika ny asn’ny maizina tsy mahavoka-tsoa no mitondra Fitahiana. Anjarantsika ny misafidy, kanefa tandremo sao diso safidy.
Posted on: Mon, 01 Jul 2013 19:27:17 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015