Fanambarana ffkm : mbola hitohy ny fihaonan’ny efatonta 4 - TopicsExpress



          

Fanambarana ffkm : mbola hitohy ny fihaonan’ny efatonta 4 juillet 2013 Nanao tatitra androany ny FFKM fa mbola hitohy ny fampihaonana ny filoha telo mirahalahy sy I Andry Rajoelina, niara-nanaiky ny rehetra hoy ny fanambaarana nataon’i FFKM io maraina io fa ilaina izany fihaonana izany ary hatao eto Madagasikara ny dinika, niara-niaky ny rehetra fa zava-dehibe ny fampihavanana sy ny fifamelana, tsy tomombana izany noho ny tsy naha teto an’ny filoha Ravalomanana, samy handray ny andraikiny tandrify azy daholo ny rehetra hampodiana ny filoha Ravalomanana hahafahany mamonjy io fihaonana io hoy hatrany Mgr Odon Razanakolona . Taorian’ny savorovoro omaly teny Ivato nandritra ny fampihaonana nokarakarain’ny FFKM ireo filoha teo aloha ny Amiraly Ratsiraka, ny Pr Zafy Albert ary Rajoelina dia nanatanteraka fivoriana maika ny movansy Ravalomanana tetsy Anosy. Tsy nisy nipika ny dinika tamin’izany fa ny azo antoka dia ny fijerena ny paikady vaovao entin’ny movansy Ravalomanana hiatrika ny tolona. Raha heverenana ny zava-nitranga teny Ivato dia fihaonan’ny telo tonta no nisy izay notarihan’ny FFKM. Tsy tonga nanatrika izany ny filoha Ravalomanana Marc. Izy izay efa nahazo ny tapakila handehanana amin’ny fiaramanidina hiala tao Afrika Atsimo hihazo an’I Madagasikara.Tamin’ny ora farany anefa dia nirotsaka ny “Notam” avy amin’ny fat, izay milaza fa tsy mahazo miondrana ao anatin’ny fiaramanidina tokony handehanany. Noho ny tahotra ny filoha Ravalomanana Marc no antony nanaovana izany. Voaporofo omaly fa Rajoelina sy ny mpiara misôsy amin’ny sakana amin’ny fikatsaham-bahaolana eto amin’ny firenena. Ny miaramila izay nandrangaranga fitaovam-piadiana teny Ivato nilaza fa fanazaran-tena hono no ataon’izy ireo. Ny tena marina anefa dia ny fahatahorana ny filoha Ravalomanana Marc no nanaovana izany. Midika izany fa miditra lalina amin’ny raharaha-politika ny miaramila. Ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy anefa dia manjaka tanteraka. Remenabila izay nandravarava tany amin’iny faritra Atsimon’I Nosy iny dia tsy hita izay fanazaran-tena nataon’ny miaramila, ary hatramin’izao dia tsy nahita-bokany izany. Mampihen-danja ny foloalindahy manoloana ny vahoaka izao fihetsika izao. Nandritra ny dimy taona izay dia tsy nanana finiavana hitady vahaolana ivoahana amin’ny krizy ny fitondran-dRajoelina. Ny Sadc ihany koa mbola tsy nisy vokany hatreto ny fanelanelanana izay nataon’izy ireo. Amin’izao fotoana izao ny FFKM dia miezaka mikatsaka vahaolana amin’ny alalan’ny fampihavanana sy ny fifamelana. Ireo filoha teo aloha ny Amiraly Ratsiraka, ny Pr Zafy Albert, ny filoha Ravalomanana Marc ary Rajoelina no hitan’izy ireo fa hamaha ny krizy politika niainan’ny firenena nandritra izay efataona mahery izay. Nandringa anefa ny fampihaonana teny Ivato satria tsy nanatrika izany ny filoha Ravalomanana Marc. Ny fahatongavany eto no tena vahaolana hivoahana amin’izao krizy izao. Namoaka fanambarana androany ny FFKM fa mbola hitohy ny fampihaonana ny filoha telo mirahalahy sy I Andry Rajoelina, niara-nanaiky ny rehetra hoy ny fanambaarana nataon’i FFKM io maraina io fa ilaina izany fihaonana izany ary hatao eto Madagasikara, samy handray ny andraikiny tandrify azy daholo ny rehetra hampodiana ny filoha Ravalomanana hahafahany mamonjy io fihaonana io hoy hatrany Mgr Odon Razanakolona. Andrasana araka izany ny daty hanaovana indray ny dinika manaraka.
Posted on: Thu, 04 Jul 2013 19:38:21 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015