Fanararaotam-pahefana ao aminny Direction Générale du - TopicsExpress



          

Fanararaotam-pahefana ao aminny Direction Générale du Budget Mar 12 mars 2013 09:55 - @IP : 41.16.69.... Tsy takona afenina toy ny tafika andrefan-tanàna tokoa raha ny fanamparam-pahefana sy ny kiantranoantrano misy ao anatinity Sampandraharaha iray ity. Voailika tanteraka ny Administrateurs des Services Financiers sy ny Adjoint ASF noho ny fisianny kiantrano sy ny antsojay ataonny Tale Jeneraly sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky. Saika ny fianankavianny deba daholo no mitazona ny andraikitra ambony ao fa ireo Administrateur niofana manonkana sy nandany 2 taona teny aminny ENAM dia saika atao an-jorom-bala ka na izy atao famenonisa (complément deffectif) fotsiny any aminny Faritra na eto Antaninarenina. Tsy vitanizay ihany fa mihoam-pampana ny fampidirana ny fianankaviana ho mpiasanny Teti-bola ka santionany fotsiny no ilazana fa ny aningahy Randimbisoa Oliva sefo personnel izao dia efa tafidiny avokoa ireo mpiray tampo aminy 4, ka ny iray ao aminny SREB Fianarantsoa, ny iray ao aminny Centre Informatique régional (CIR) Fianarantsoa, ny iray any Manankara ary ny iray ny iray ao aminny SRSP Antsirabe. Voalaza fa te-hiasa ireo dia miasa, tsy te hiasa dia tsy miasa ary tsy afaka manao ninoninona ny sefony satria hono havanny deba e. Tsy izy irery ihany fa samy mampiditra ny havany daholo izay rehetra mahazo fahefana e. Fa ity indray mitoraka ity no tena sangy mihoatra ny loha fa tena mihevitra ny tenany ho amboninny lalàna mihintsy izy ireo ka nanao didim-pitondrana an-tsokosoko mampiditra an-tsokosoko anizy mianankavy ao anatinny corps des ASF kanefa efa mazava ny voalazanny didim-panjakana (décret) manangana ny ASF fa hatreo aminny 30 septambra 2003 dia tsy misy afa-tsy aminny alalanny concours idirana eny aminny ENAm ihany no fomba tokana ahazoana miditra ao aminio corps io. Ary satria ny sasany aminizy ireo efa imbetsaka no nanao concours fa tsy afaka kanefa te-hifikitra mafy ny seza ka dia izao mitady hanao lalana ambaninny tany izao mba hahatafidirana. Ho afa-baraka fotsiny anefa izy ireo satria efa nilaza fa hanohitra hatraminny farany ny Syndicat roa tonta (ASF sy Adjoint ASF) ka na iza na iza ary na oviana na oviana dia tsy hanaiky ny fidirana avy eny am-baravarankely mihintsy izy ireo fa malalaka ny varavaranny ENAM ho anizay mendrika hiditra eny ka samia mifaninana ary aoka mba les meilleurs no hi gagner. Manjaka ankehitriny ny ramatahora ataonireo tomponAndraikitra ambony ao aminny Budget ireo mba tsy hamoahana ny anaranireo olona 5 ireo kanefa matoa navoaka amina didim-pitondrana (satria efa nisy nahita io didim-pitondrana nezahina nafenina io) dia tokony havoaka aminny journal officiel aza koa dia indro avoakako ho fantatry ny rehetra fa tsy iza akory ireo fa : Ny vadinny Tale Jeneralinny Teti-bola, Andriamatoa Oliva sy Andriamatoa Lala ao aminny Personnel; Andriamatoa Mialy Chef SAF; ary Andriamatoa Rado Chef de Service du traitement Informatique. Tsiahivina fa efa nisy nahita io arrêté io ka tsy honohono intsony fa dia miandry ny hahitana azy sisa mba hahazoana mangataka ny fanafoanana azy any aminny Conseil dEtat. Tsy misy takona izay tsy ho hita e. Ny tena mahagaga aminity raharaha ity ange ry zareo dia ny nahazoanity arrêté ity nandalo ny antanan-tohatra rehetra mpanao visa kanefa dia tsy voasakana fa dia tafavoaka hatraminny farany e. Dia sanatria ve dia efa misy réseau koa hatrany aminny Controle financier any? sa anisanny voafitaka ny Inspecteur iray nanao ny visa satria manao visa fahantany fotsiny fa tsy mijery ny texte de base akory? Mahalasa saina ihany raha ny mpitantana ny volam-bahoaka no efa galifantsy aminny fanaovana fanamparam-pahefana toy izao. Dia afaka hiteny ve isika fa hoe tena misy tokoa ny fanjakana tsara tantana eto amintsika? Tsara ho fantatry ny mpamaky fa ny tenako izay manoratra dia sady tsy ASF no tsy Adjoint ASF fa olom-pirenena manana havana ASF ary mahafantatra tsara ny fanilikilihana ataonireo olona ireo aminny ASF sy ny Adjoint aho ka dia nanampan-kevitra fa hanoratra izay rehetra reko mba ho ren-tany ren-danitra ny tsy mety atao eto aminity firenena ity. Ary mba ho fantatry ny mpitondra fa misy ny manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina aminny mpiasany ka mila esoriny aminny toerany satria tsy izany no nitolomana nandritra ny 1972, 2002, 2009. Amiko dia tokony hesorina daholo ireo contractuels nampidirina taminny maha fianakaviana ireo fa mibaha-toerana fotsiny. Aleo ny fitantanana ny Budget ho andraikitry ny ASF sy ny Adjoint ASF e, vola be ange no laninny Fanjakana nanofanana anireo e. Koa rehefa tsy hmetraka anireo aminny toerany ny Tale Jeneralinny Budget dia tokony miala izy sy ny forongony fa manjary izy indray no mampikatso ny réformes izay efa nimatimatesantsika Malagasy hatao nanomboka taminny 2005. Izay aloha no azo natolotra androany fa tsy maintsy hiverina eto foana i Tsytialainga raha mbola misy koa ny tsy rariny atao eto aminity Firenena ity. Manohana ny tolona ataonny ASF sy ny Adjoint ASF izahay ary mampahery azy mba ho sahy hijoro hatrany aminny fanesorana ireo mpanararaom-pahefana ireo. SOURCE: gasykamanja/forum
Posted on: Tue, 03 Dec 2013 06:14:45 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015