I Iaveh no mpiandry ahy Inona moa no hahatahotra ahy - TopicsExpress



          

I Iaveh no mpiandry ahy Inona moa no hahatahotra ahy ? Isan’andro vaky tantanany aho Ho any am-paradisany Izy no Ray mivimbina ny aiko, Sy manome hasoavan-dehibe : Jesoa Kristy no tena mofon’aina, Ka omeny ahy ho fihinako. Ho sasa-poana izay mialoha ahy, F’izaho anie arovan’i Iaveh : Jesoa Kristy no tena famonjena, Ka ny sitrapony tanterahiko. Indraindray ny fiainana eto an-tany Toa maizim-be, toa rako-drahona : Jesoa Kristy no tena hazavana, Ka omeny ahy ny faniloko. Raha tonga izay handaozana ny tany, Irery anie ny olombelona : Jesoa Kristy no Zoky be fitia, Ka omeny ahy mba ho tokiko.
Posted on: Mon, 25 Aug 2014 23:00:27 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015