Lehilahy mpibizina sady patirao be iray no tsy maintsy handeha ho - TopicsExpress



          

Lehilahy mpibizina sady patirao be iray no tsy maintsy handeha ho any ivelany, ary nametrapetraka ny rehetra tamini Rasoa mpanampy mahatoky aza indrindra. Telo andro taty aoriana, niantso ani Rasoa i Pata - Pata: Manahoana Rasoa, milamina tsara ve ao? - Rasoa: Tena loza, tena loza ny aty patirao a! - Pata: Andriamanitra o! fa misy inona? - Rasoa: Tapaka anie ilay angandinao iny e! - Pata: Ianao Rasoa a! efa saika tapaka ny lalan-drahako, nefa kay izay zaranAngady Eny e! Fa naninona no tapaka ilay angady? - Rasoa: taminizaho nandevina ilay alikanao iny dia tapaka ilay izy - Pata: Maninona tsara hoe? maty hoe Boby? maty aho alikako, fa dia naninona loatra Rasoa a! - RAsoa: Ka latsaka tao anaty piscine izy dia maty ko, Rasoa a! alika mahay milomano anie iny e! tsy tokony ho faty zany - Rasoa: Fatako fa mahay milomano izy saingy tsisy rano ilay piscine dia nianjera tao izy dia maty - Pata: Rano vao nosoloina telo andro lasa izay ve dia nankaiza? - Rasoa: Ka noritinny pompier teo ilay izy ko, namonoany ny afo tao an-trano - Pata: Fa tranoniza no may? very aho villa-ko, fa nareo ve tsy mitandrina mintsy e! fa inona loatra no nahamay ny trano - Rasoa: kaaaa!! taminny fiandrasam-paty ny reninao dia nianjera ny labozia teo andohany - Pata: Loza inona re ty ry lanitra o! maty hoe ny reniko, fa dia nahoana loatra re, inona no nahafaty azy rasoa a! nefa izy anie salama tsara taminny anniversarany talohanny nialako tany e! - Rasoa: Tsy nahita tory hono izy dia saika haka fanafody fampatoriana tao aminny vadinao dia, hitany niara-natory taminilay namanao iny izy dia nanao crise dia maty - Pata: Hay ve manitsaka ahy ny vadiko e! sady ny namako akaiky indrindra, vao 3 andro ve za no tsy tao dia izany no mitranga, indrisy ry fiainako, Rasoa a! mba ilazao zavatra positf re za a! - Rasoa: Zao ary ramose a! tadidinao moa ianao nanao analyse Sida iny? efa tonga ato ny valiny: de POSITIF #Egal
Posted on: Wed, 06 Nov 2013 12:34:27 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015