Lesona Lehibe 6 : NY ANDRO FANAVOTANA Tsianjery: Iza no - TopicsExpress



          

Lesona Lehibe 6 : NY ANDRO FANAVOTANA Tsianjery: Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka sady mandalo ny fahadisoanny sisa aminny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, fa tia famindrampo. Hamindra fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny fahotantsika - eny, harianao ho any aminny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.-Mika 7:18,19. Fizarana Alatsinainy NY AO AMBADIKY NY FAMELAN-KELOKA Vakio ny Lev. 16:32-34. Inona no andraikitra lehibe tananny mpisoronabe aminny Andro Fanavotana? Ny manelanelana ny olombelona aminAndriamanitra no andraikitra voalohany tananny mpisoronabe. Raha ny fitoerana masina kosa no asian-teny dia izy no nitantara ny fisoronana sy nanatanteraka ireo fombam-pivavahana maro samihafa momba ny sorona sy ny fanatitra (Heb. 8:3). Goavana tokoa ny andralkiny aminny Andro Fanavotana. Saiky izy no manatanteraka ny fombafombam-pivavahana rehetra, afa-tsy ny fitondrana ho any anefitra ilay osilahy ho ani Azazela, na dia marina aza fa izy no nibaiko ny handefasana ilay osilahy ho any. Aminny Andro Fanavotana, ny mpisorona «lehibe» - toy izany koa no iantsoana azy - dia tonga ohatra velona maneho ani Kristy.Koa tahaka ny nifantohanny sainny vahoakanAndriamanitra teo aminny mpisoronabe, dia tahaka izany koa, i Kristy - ary tsy misy afa-tsy izy - no ifantohanny saintsika. Fa tahaka ny asanny mpisoronabe teto an-tany izay nitondra fanadiovana ho anny olona, dia toy izany koa no ataonny asani Jesôsy any aminny fitoerana masina any an-danitra ho antsika (Rôm. 8:34;1 Jao. 1:9). Ny hany fanantenanny vahoaka taminny Andro Fanavotana dia tao aminny mpisoronabe, ary tahaka izany koa ny hany fanantenantsika dia ao amini Kristy. «Tsy nahafoana ny ota anefa ny ranny Mpamonjy na dia nanafaka ny mpanota nibebaka taminny fanamelohana aza. Mitoetra ao anatinny boky ao aminny fitoerana masina izany manclra-pahatonganny fanavotana farany ny fahotana. Izany indrindra no asehonny fanompoam-pivavahani Mosesy, ka ny ranny fanatitra no nanafaka ny mpanota, fa ny fahotana kosa voatahiry ao aminny fitoerana masina mandra-pahatonganny Andro Fanavotana.» - PM, t. 362. Araka ny voalaza ao aminny Lev. 16:16-20, dia tsy maintsy niditra tao aminny Fitoerana Masina Indrindra ny mpisoronabe, nanadio azy ho afaka aminny fahalotoana ara-pombam-pivavahana sy ny fandikan-dalàna ary ny fahotana. Rehefa izany dia nafindrany ho aminilay osilahy velona ny heloka rehetra, ny fandikan-dalàna rehetra ary ny fahotanny Isiraely rehetra ka nalefany ho any anefitra taminny alalanilay osilahy. Toy izany no nahalasanny fahadisoanny Isiraely ara-môraly rehetra. Izany no nahatrarana ny tanjona tokana kendrenny Andro Fanavotana: fanadiovana ara-môraly izay mihoatra ny famelan-keloka. Tsy nisy famelan-keloka vaovao nilaina taminio andro io. Efa namela ny helokizy ireo Andriamanitra. Aminizao isika mitolona mba hanaisotra ny ota rehetra izao, aminny hery rehetra omenAndriamanitra antsika, fomba ahoana no fianarantsika miantehitra tanteraka aminny fahamendrehani Kristy, ho hany fanantenantsika famonjena?
Posted on: Mon, 04 Nov 2013 03:05:58 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015