Mbola zaza ’lay fitiavako Dia voafinganao sahady ’Lay fonenany - TopicsExpress



          

Mbola zaza ’lay fitiavako Dia voafinganao sahady ’Lay fonenany namboariko Nanjary fo mangadihady Nifandimby nifanesy Nifanosika ny taona ’Lay fitia mbola resy Gina, maina, sady moana Dia nofadiako hatreo sy natahorako tokoa Ny hanandrana haneho ’Lay fitiavana any am-po Nitampify, nihafihafy tsy sahy Nangina tsy nahaloam-peo ’Lay fitiavana izay mbola manahy Kanjo indro indray maraina Nisy taratra hafa loko Masoandro tsy hay tohaina No nandonaka ny foko Ka taitra ilay fitiavako ’Lay fitiavako, mangovitra Natahotra fandavana ’Ty lamba anefa rovi-drovitra Teny roa toa teny iray Eny vokatry ny fo No nanome aina indray Ilay fitiavana tao am-po Efa maro ireo niantsoako anao Tsy nahalaza ilay anao Dia ilay ianao nahay namelona Ilay fitiavana tanatiko tao Fitiavana no iantsoako anao Fitiavana tokana iray Ireo no nahalaza ilay anaranao Ilay fitiavana mandrakizay Fitiavana no iantsoako anao
Posted on: Sat, 28 Sep 2013 08:11:51 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015