Mofonaina MANANTENA FAHOMBIAZANA NY MINO Asabotsy 19 Oktobra - TopicsExpress



          

Mofonaina MANANTENA FAHOMBIAZANA NY MINO Asabotsy 19 Oktobra 2013 2 PETERA 1 :1-11 Ny fahombiazan’ny olona ao amin’i Jesoa Kristy Ity Epistily nosoratan’i Simona Petera ity dia nosoratany ho an’ny olona izay efa nandray ny finoana tsara an’i Jesoa Kristy Andriamanitra sady mpamonjy. Olona nandray ny herin’ Andriamanitra sy ny voninahiny ka tonga manana ny maha- izy azy manokana . Fanehoana ny toetran’ny fahombiazana Ny fahombiazana dia miseho amin’ireto toetra izay tanisaina manaraka ireto (and5-7) - Miasa amin’ny zotom-po - Manana fahatanjahan-tsaina noho ny finoana - Manana fahalalana na ny fiombonana aina tanteraka amin’i Jesoa izay inoany - Manana toe-panahy araka an’ Andriamanitra - Manana fitiavana ny olona rehetra Fanehoana ny toetran’ny fahombiazana (8-11) Ireto izany toetran’ny fahombiazana - Tsy malaina - Mahavokatra finoana araka an’i Jesoa Kristy ka mahatsiaro ny famonjena nataony - Mazoto mijoro amin’ny fiantsoana - Mazoto mijoro amin’ny fifidianana - Mahay mitondra tena tsy ho tafitohina - Mandova ny fiainana mandrakizay Fanontaniana : Milazà toetra hafa mitondra fahombiazana amin’ny maha- kristiana Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM
Posted on: Sat, 19 Oct 2013 18:26:18 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015