NEHEMIA 8.7-12 MILA NY TENIN’ANDRIAMANITRA HO FIAROVANA Ry - TopicsExpress



          

NEHEMIA 8.7-12 MILA NY TENIN’ANDRIAMANITRA HO FIAROVANA Ry havako, Ho aminao sy ny ankohonanao mandrakariva anie ny Fahasoavan’i Jesoa Tompo. Fiarovana azo antoka raha iainana amin’ny finoana ny Tenin’Andriamanitra, fiarovana hahazoana manohitra ny zana-tsipìka alefan’ilay ratsy. Eto amin’ity boky tantara ity (Nehemia 8.7-12) izay tsara raha atomboka eo amin’ny and.1 dia ny olona, ny vahoaka mihitsy no nangataka ny hamakiana ampahibemaso ny bokin’ny Lalàn’Andriamanitra ho entina miatrika ny fiainana sy ny fanarenana ny tanàna. Mila mihaino, mankato, mampihatra ny Tenin’Andriamanitra ny olona raha te hahita soa sy ambinina ary ho voaaro amin’ny zavatra rehetra. 1-MAMPIORINA SADY MANAMAFY NY FINOANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA Niombonan’ny zanak’Israely hatrany amboalohany ny finoana an’Andriamanitra ary nohamafisina izany tamin’ny fotoana nialana tany Egypta rehefa nohafahana tsy ho eo ambany fanadevozana ny zanak’Israely. Nomena ny Lalàna tao Sinay, tsy ho fitsipika momba ny fitondran-tena fotsiny, fa natao mihitsy ho fitsipi-piainana sy fankatoavana ny fanarahana ary ny finoana an’Andriamanitra Velona izay mitondra ny fiainana iray manontolo. Hialana amin’ny fiviliana ho amin’ny fanompoana andriamani-tsy Izy. Maneho ny maha-izy azy ny Israely sy ny fiandrianany ary ny finoany sy ny fankatoavany ny Avo Indrindra ny Lalàna ary nampahatsiarovina mandrakariva izany. Tonga mpanangana ny rava niaraka tamin’i Nehemia sy Ezra mpisorona ny vahoaka, tsy ny fanarenana an’i Jerosalema sy ny toerana masina izay ravan’ny fahavalo ihany no natsangana fa ny fampiorenana ny finoana mihitsy ka hiainana ny fitondrantena sy ny fiainana madio. Tonga arofanina tsy hamilivily na hampihoatra ho any amin’ny tsy izy ny fampianarana ny lalàn’i Mosesy teo amin’ny Israely. Tanteraka amin’ny fanarahana sy ny finoana ary ny fankatoavana an’i Jesoa Kristy izany rehetra izany. Ny lalàna tonga mpitaiza sy arofanina, fa ny Fahasoavana izay namonjena sy nomena ny olona kosa no fototra hampiorenana ny finoana an’i Jesoa Kristy ary ny fankatoavana sy ny fahatakarana ny hasarobidin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fiainana izany no fiarovana ho an’ny mino. Ho antsika koa ankehitriny, raha Jesoa Kristy tokoa no rentsika sy noraisintsika ary inoantsika ary tao Aminy no nampianarana antsika, dia aza atao alasafay na toy ny didy angovo (corvée) ny fiainana sy ny fandihina ny Tenin’Andriamanitra sy ny fiainana izany. Ny fiheverana fa tsy manam-potoana handinihina sy hamakiana ny Tenin’Andriamanitra na ny fianarana sy ny fiainana izany manko, dia mitory fa tsy ny fotoana no tsy misy fa ilay anjara toeran’ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny olona mihitsy no hamaivanina. Mba tsy ho izaho na ianao no hanamaivana izany fa ho isan’izay hanome toerana ny famakiana sy ny fiainana ny Tenin’ Andriamanitra isan’andro tokoa anie isika. Ampiharihario ary aza menatra ny haneho ny maha-kristiana antsika. Zava-dehibe sady fiandrianan’ny mino ny hijoroany sy tsy menatra ny maha-kristiana azy. 2-HARENA HO ANTSIKA NY TENIN’ANDRIAMANITRA IAINANA Nanana toerana lehibe teo amin’ny Israely ny Levita fa izy ireo no isan’izay nanana anjara lehibe tamin’ny fandikana ny Lalàna avy amin’ny teny hebreo ho amin’ny fiteny azon’ny olona. Ny Levita no nanome ny hevitra sy ny dikany ary ny Tian’Andriamanitra ataon’ny olona tamin’ny fanazavana ny lalàna. Azon’ny vahoaka tsara ny fanazavana nomena ka nahatonga azy ireo hitomany noho ny fahatsapana fa tsy nahatanteraka izay Sitrak’Andriamanitra, ary tsy nahefa na inona na inona tamin’ny fanatanterahana izay notadiavin’ Andriamanitra izy ireo. Tonga tamin’ny fibebahana tsy tamin’ny ranomaso fotsiny ny olona, fa nanaiky ho amin’ny fankatoavana ary nino fa fiarovana ho azy ireo tokoa ny Tompo. Izany koa no niainany ny fitiavana sy ny nahazoany nanampy ny hafa tamin’ny fifaliana sy ny fahatsoram-po. Na dia teo aza izany rehetra izany, ny fanarenana ny tanàna, ny zavatra vita, ny fitantanan’Andriamanitra niaro ny olony ka nahazoana nahita indray ny tanàna nohavaozina, dia nampahery azy ireo i Nehemia sy Ezara mba hahay manome Voninahitra sy hidera an’Andriamanitra amin’ny fifaliana sy ny firavoravoana. Marobe ny zavatra tsy vitantsika na tamin’ny fankatoavana an’Andriamanitra ao amin’i Kristy, na tamin’ny tsy fiheverantsika ny tokony hatao amin’ny fiainana ny finoana, na tamin’ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fifanampiana aza. Tamin’ireny rehetra ireny, dia mety hitomany isika noho ny fisedrana, ny tsy fahombiazana nefa koa noho ny fahatsiarovan-tena ka miverina amin’Izy Tompo amin’ny fibebahana. Hery sy fampaherezana ho ahy sy ho anao koa ity tantara ity, ka hampirisihina antsika hatoky ny fiarovan’ny Tompo ary hahaizantsika mankalaza sy manome Voninahitra Azy amin’ny fampiharana izay lazain’ny Teniny voarakitra ao amin’ny Soratra Masina. Koa mifalia, miravoravoa raha mbola tsy nanary antsika ny Andriamanitra ao amin’i Kristy fa mbola niaro sy nanome fiainana antsika hahazoantsika mampihatra izay lazain’ny Teniny.
Posted on: Sat, 28 Sep 2013 13:00:39 +0000

Trending Topics




© 2015