Omeo an’Andriamanitra ny ora tsara indrindra amin’ny tontolo - TopicsExpress



          

Omeo an’Andriamanitra ny ora tsara indrindra amin’ny tontolo andronao! "Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany. " (Marka 1:35) Ny fotoana atokanao hihaonana amin’Andriamanitra no fotoana lehibe indrindra amin’ny tontolo andronao. Izany no antony maha-zava-dehibe ny fisafidianana ny toerana sy ny ora. Araka izany dia tena ilaina ihany koa ny fitsipika (tsy fiovaovàna). Manantona an’Andriamanitra amin’ny ora mitovy isan’andro. Izao no voalaza ao amin’ny Marka 1.35: "Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany." Tsy hoe, satria nifoha vao maraina be i Jesoa nivavaka dia tsy maintsy manao toy izany koa ianao. Ny atao dia ny hoe manome an’Andriamanitra ny ora tsara indrindra amin’ny tontolo andro, amin’ilay ianao mbola tena vaovao be iny. Ho an’ny hafa ohatra ny maraina. Misy ilay vao miala avy ao am-pandriana iny. Misy tsy mieritreritra an’Andriamanitra mihintsy raha tsy amin’ny 11 ora maraina! Fa mbola tena miasa be izy hatramin’ny misasak’alina! Ny tena kajiana, dia ny manome an’Andriamanitra ny ora tsara indrindra amin’ny tontolo andronao, ary mandrafitra ny fotoam-bavakao manokana tahaka ny hanaovanao ny fandaharam-potoana maro isankarazany. Manomboha tsikelikely. Raha tsy mbola nanao fotoam-bavaka manokana mihintsy ianao hatramin’izay, dia ataovy dimy minitra fotsiny aloha amin’ny voalohany. Ataovy tsotsotra, dia ampitomboy tsikelikely. Raha tonga dia ataonao adin’ny iray isan’andro izany, dia tsy haharitra ianao. Ny tanjonao amin’ny farany dia ny hihaona amin’Andriamanitra fara-fahakeliny 15 minitra isan’andro. Iza no tsy manana 15 minitra? Mitadiava toerana manokana sy miavaka hihaonana amin’Andriamanitra. Jesoa dia nanana izany toera-miavaka hihaonana amin’ny Ray izany. Izao no voalaza ao amin’ny Lioka 22.39: "Ary nivoaka Jesosy, koa araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva Izy, ary ny mpianatra koa nanaraka Azy." Nanana fahazarana nakeo amin’ny tendrombohitr’Oliva Jesoa. Nanana toerana hivavahana tsy tapaka Izy. Inona no toerana tokony tadiavinao? Ireto no fepetra fenoiny: - Mitokana. Mitadiava toerana izay ianao irery no eo, tony, toerana izay tsy misy manelingelina anao ary ahafahanao mivavaka miteny mafy. - Toerana mitovy isan’andro. Ny soso-kevitra androany - Maninona raha mamaritra ora sy toerana amin’izay hanaovanao fotoam-bavakao manokana manomboka anio? - Ianao ve, ao anatin’ny tontolo andronao manana zavatra atao izay hifantohanao, ka amin’izany dia tsy tara mihintsy ianao ary mahazo tombony amin’izany? Ataovy loha-lisitra amin’izany ny Fotoam-bavaka manokana.
Posted on: Sat, 03 Aug 2013 07:59:37 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015