Toa tsaroko foana Lay ora nifahankalalako taminao Ieny fa na - TopicsExpress



          

Toa tsaroko foana Lay ora nifahankalalako taminao Ieny fa na dia teny ny fotoana Toa mbola tsy afaka ato an-tsaiko iany hatraminy zao Fijery nifanena Toa segondra roa na telo fotsiny any Tsiky iray tsy haiko no fefena No naha tonga izaho hy latsa-paka taminao Asa na ianao tokoa va re no tena tsara, asa tokoa ve na izaho no mora babo Tsy mba nahay nandalo Asa na ianao tokoa va re no tena kanto, na izaho no mora tia Henika aho fa ao aminao daholo ny hatsarana No kasaiko rehetra Fahaizana, hatsarantarehy sy hatasarantoetra Fa tsy ny hatsaranao, fa ilay fo mitempo ao anatiny ao No miantso inty foko mbola tia Fa mbola ilaiko foana ianao, ho faniriko Mbola tsisy niova mintsy lay ftiavako anao Ilay nofidiko hifampizara ny hafaliako Na fotoana vitsy monja aza no ahitako anao Ny fijaliako lavitra ahy Ny fahoriako anao Raha mbola ianao no mila sy mpiahy Matokia ianao fizaho tsy hiova fo Fa mbola hy tia anao Omaly aho nieritreritra Mety mihena ve ny lanja ny fitia Nandinika anao de lasa saina Mba ho inona moa aho raha tsisy an-ndry Fa na de mifamaly aza isika Miadihady ka mifandratra fo Mahatsiaro irery sady mangatsika Raha vao tsy eo ianao Miady saina, ka mila ho vaky loha Asa na ianao tokoa va re no tena tsara, na izaho no mora babo Ka tsy mba nahay nandalo Asa na ianao tokoa va re no tena kanto, na izaho no mora tia (Efa lasa anao daholo) Efa lasa anao tokoa Ny ato ampoko sy ny saiko rehetra (ny ato ampoko manontolo) Fitiavana nantolotro tsy mba manam-petra (efa nahafoiko omeko anao) Fa foiko omeko anao Ilay fo mitempo ao anatiko aho (famenony ilay fonao ho iray) Fa mbola tiako foana ianao, ho faniriko Mbola tsisy niova mintsy ny ftiavako anao Ilay nofidiko hifampizara ny hafaliako Na fotoana vitsy monja aza no ahitako anao Ny fijaliako lavitra ahy Ny fahoriako anao Raha mbola ianao no mila sy mpiahy Matokia ianao fizaho tsy hiova fo Fa mbola hy tia anao Toa tsaroko foana Lay ora nifahankalalako taminao Ieny fa na dia teny ny fotoana Toa mbola tsy afaka ato an-tsaiko iany hatraminy zao Ilay fijery nifanena Toa segondra roa na telo fotsiny any Ilay tsiky iray tsy haiko no fefena No naha tonga izaho te ho tafa latsa-paka taminao
Posted on: Thu, 17 Oct 2013 17:45:32 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015