Tsy hitako nandalo tsony izy e! Bozaka maina an-davenona - TopicsExpress



          

Tsy hitako nandalo tsony izy e! Bozaka maina an-davenona ô Aloka matahotr’andro sisa e Fa maty any ho any a le fakiteranay e! De foana sy nangina tsisy tabataba tetsy ambavahady e! Mpitsena lasa nody a! Mpizara taratasy ambony sikileta fakitera maty a! Ireo voromanga nanatona niala F’izy kosa lasa any ankoatra paradisa e ! Ambany dongontany varavarambato Asiana voninkazo a! Fakitera nandimby fakitera Nizara taratasy ihany fa saingy ferapara! Lasa tsy nanao mbay lalana izy izy e! Dify tsy hamangy tanana ôôô Doroky ny ankason-tany izy e Tandindona sisa raha toa ka mandalo a! Fa folaka an-dantony efatra amin-telo fakiteranay Nangina nangina Nangina tsy niteny fa ambiroa no maty feon’avelo tsisy a! Fa tanambokovoko vazy tanimanga marika najoro Fa nisy fakit Fa tanambokovoko vazy tanimanga marika najoro Fa nisy fakitera teto a! Sakaizan’ireo tary sy mpifankatia nisara-toerana ela Nofo moa k’hisy fiafarany e Hody vovoka ho tany raha tonga ny fotoana
Posted on: Tue, 27 Aug 2013 18:16:07 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015