#nyfireneko #madagascar Fanehoan-kevitra “baombina" - TopicsExpress



          

#nyfireneko #madagascar Fanehoan-kevitra “baombina" goo.gl/rMq4d9 Tsy hay intsony izy ity na sangy na inona. Raha sangy kosa aloha dia azo heverina fa tena mba efa any amin’ny sokajin’ireny hoe efa mihoatra ny loha ireny. Marina fa sady tsy nandrava no tsy nanimba zavatra be ireo baomba vita tanana hita faramparany teo. Sady tsy nandratra ihany koa no tsy nahafaty olona. Nisy iray aza moa tsy nipoaka mihitsy. Fa tsy izany akory no handraisana azy ho vazivazy, sanatria. Marina koa fa mety misy karibonetra kely ny fihetsiky ny mpitandro filaminana sy ny mpanao politika sasany taorian’ireny fipoahana baomba vita tanana ireny. Satria dia nolazaina mihitsy fa asa fampihororoana ilay izy. Dia natao sava hao ny moto izay nandalo teny Analakely satria, hono, olona nitaingina moto no nisy nahita nametraka ilay baomba. Ny mpanao politika moa, zarany aza misy ny valala, hitenenana, dia hilazana fa misy manana teti-dratsy hahatonga an’I Madagasikara ho tahaka ny any Syria any ho any. Asa aloha fa raha ny fahitana azy dia tahaka ny tsy mba nanan-kevitra ny hamono olona tahaka ireny zava-mpitranga any amin’ny firenena hafa ireny ireo mpametraka baomba. Na izany na tsy izany anefa tsy azo tsinontsinoavina ny mety ho zava-doza aterany. Mila averina hotantaraina eto ve ny nanjo ireo vatan-dehilahy roa nikasa ny hametraka baomba teny Ambohibao tamin’ny taona 2010? Ry zareo ihany no nifoteran’ny baomba nentiny. Naratra mafy araka izany ny iray. Namoy ny ainy mihitsy moa ny anankiray. Dia efa nisy iny loza iny dia mbola misy ihany sahy misangisangy mikirakira baomba vita tanana. Sa ve ny fanapoahana tsipoapoaka sisa, sanatria, no fomba hitan’ny sasany hanehoana hevitra ka ho heno? Sanatria tokoa ve tsy misy intsony fomba hafa mahomby ahafahana miteny sy maneho hevitra mihitsy eto amin’ity tany ity ka mahatonga ny sasany toa tahaka ny manao kilalao ny ainy mihitsy? Na koa mety hisy ihany saingy ny sasany mihitsy no efa tsy mahay maneho hevitra intsony ka manandrakandrana herisetra vaovao? Soapeta
Posted on: Thu, 12 Sep 2013 00:58:06 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015