MofonAina Alarobia 13 Novambra 2013 NANEHO FANAJANA ANIREO - TopicsExpress



          

MofonAina Alarobia 13 Novambra 2013 NANEHO FANAJANA ANIREO EFRAIMITA I GIDEONA Mpit. 8:3 Teo an-tànanareo no nanoloranAndriamanitra ny andriananny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina aminny nataonareo? Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeranireo taminy. Nony tafaverina avy nanenjika ny fahavalo i Gideona, dia nahazo faniniana taminny iray firenena taminy. Niverinilalana hanenjika ny Midianita ny lehilahy tao aminny Isiraely, raha ny fireneni Efraima kosa nihevitra izany ho mampidi-doza dia nijanona tany aoriana raha niantso izy, sady nanantena ho afa-tsiny taminny tsy nandefasani Gideona fiantsoana manokana tany aminy. Menatra mafy anefa izy tsy nandray anjara taminny ady rehefa tafapaka tany an-tsofiny ny filazana ny fandresena azonny Isiraely. Araka ny baikoni Gideona, dia namonjy haingana ny ranoni Jordana izy nisambotra ny mpandositra ka nahafaty fahavalo marobe, indrindra fa ny andriana roa lahy, dia Oreba sy Zeba, ary fomba toy izany no nahazoany ny fandresena. Na dia nivesatra babo aza izy, dia mbola tsy faly ihany, noho ny fialonany ani Gideona sy ny fahasosorany taminy, ka niantsoansto azy mafy hoe: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao no tsy nantsoinao izahay raha nande hiady taminny Midiana hianao?. Tsy tao an-tsainy akory ny fanampian Andriamanitra, fa noheveriny ho niasa taminny herinny tenany ihany i Gideona. Fa hoy Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao, raha oharina aminizay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boaloboki Abiezera? Teo an-tananareo no nanoloranAndriamanitra ny Midiana, dia Oreba sy Zeba, ary inona no azoko atao raha oharina aminny nataonareo? Nety ho niteraka ady narahina herisetra mora foana ny lolom-poni Efraima. Fa nampitony ny fahatezerany ny valin-teny malefaka nataonilay lehilanAndriamanitra, ka lasa niverina nody tamim-pifaliana tany aminny fonenany avy izy rehetra. Nijoro tsy nihontsana taminny fitsipika ity mpiady mahery ity, ka naneho fanahim-pihavanana tsy fahita firy taminny toe-javatra mpiseho toy itony. Feno fankasitrahana ny Isiraely rehefa tafaverina avy nahazo fandresena mamirapiratra ka nanolotra ny fanjakana ho lovani Gideona. Nifanohitra taminny fanjakana nentinAndriamanitra teo Isiraely io fiheverana io satria mandà ani Jehovah tsy ho mpanjakani Isiraely. Mampiseho ny fahadiovanny fitondrantenany sy ny fahamendrehanny toe-tsaina nanetsika azy ny teny navalini Gideona: tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako: Jehovah ihany no hanapaka anareo.
Posted on: Wed, 13 Nov 2013 02:31:15 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015