1 TESALONIANA 5.23-28 HANAMASINA ANTSIKA ANIE ANDRIAMANITRA Ry - TopicsExpress



          

1 TESALONIANA 5.23-28 HANAMASINA ANTSIKA ANIE ANDRIAMANITRA Ry havako, Ho aminao sy ny ankohonanao mandrakariva anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana ary ny Fiarovan’ Andriamanitra izay efa nanome antsika an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy. Mba ho hamasinina mandrakariva anie ny toe-piainantsika ho mendrika ny fiantsoany, ka ho eo ambany fiarovan’Izy Tompo hatrany ka ho tanteraka tsy hana-tsiny isika eo ampamakivakiana izao fiainana izao. Andriamanitry ny Fiadanana manamasina sady miaro ny mino ety an-dalan’izao fiainana izao hahatratrarana ny Fanjakan’ Andriamanitra. Ny tsodrano sy firariantsoa nataon’ny Apostoly Paoly ho an’ny Tesaloniana no entintsika mamarana ity volana septambra ity. Tsodrano izay firariantsoa ny ankehitriny sy ny ho avy mba ho Fiangonana sy kristiana tanteraka tokoa ny mino eo am-piandrasana ny fihavian’i Jesoa Kristy amin’ny fotoana voatendry. Ny Fiangonana sy kristiana mahatana ny finoana no irarian’ny Apostoly ho tanteraka sady masina mandrakariva. 1-ANDRIAMANITRA MANAMASINA NY MINO Nahafaly ny Apostoly Paoly ary nisaorany an’Andriamanitra ny toe-panahin’ny kristiana tao Tesalonika izay nandroso tamin’ny finoana, ny fifankatiavana ary niriany fatratra ny handrosoan’izany toe-panahin’ny finoana sy ny fifankatiavana izany hatrany mba ho tonga amin’ny fanantenana an’i Jesoa Kristy. Finoana sy fanantenana ny fiarovan’ Andriamanitra tsy halaky ho taitatitra, ka ho diso làlana hihevitra fa efa lasa ny fitsanganana amin’ny maty. Nitory ny Filazantsara tsy tamin’ny teny fotsiny ny Apostoly, fa tamin’ny hery sy ny famonjen’ny Fanahy Masina. Ny famaranana ny taratasy dia tsodrano, fampaherezana mba hijoro tsara amin’ny finoana. Andriamanitry ny Fiadanana anie hahamasina anareo : Manetsika sy mandrisika ny Fiangonana sy ny kristiana mba hanatanteraka ny maha-Fiangonana velona miandry amin’ny fanantenana ny fihavin’i Jesoa Kristy izany. Fiangonana voatokana, velona amin’ny finoana ary arovan’Andriamanitra amin’ny lafiny rehetra. Ny momba ny maha-olona manontolo sy ny olona rehetra no ampanantenaina fa harovana. Fiarovana mba ho kristiana miaina ny finoana, tsy manantsiny na ho hampangaina ho miovaova sy tsy mahatoky, arovana mba ho tanteraka sady masina eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ny toe-piaina manontolo. Fanantenana ho antsika ankehitriny koa izany ary tsarovy : fa amin’ny fotoana rehetra hanoloran’ny Fiangonana tsodrano ho an’ny mino dia handraisantsika ny toky fa eo amintsika Andriamanitra manamasina sady miaro antsika. Izany indrindra no antony handraisana ny Tsodrano amin’ny finoana sy ny fanantenana fa tsy henoina na fomba mahazatra fotsiny. Ny kristiana mino ka mandray sy miaina ny fanantenana ny Tsodrano atolotry ny Fiangonana azy, dia tompon’andraikitra koa mba hitahirizany ny finoany tsy hanantsiny amin’ny fihavin’i Jesoa Kristy. Tsodrano raisina, andraikitra tanterahina amin’ny fiainana isan’andro ary ny Fanahy Masina no mpitari-dàlana ny mino hahafantarany ny antony sy dikan’ny fanamasinan’Andriamanitra azy. 2-MPINO VELONA NY ANKEHITRINY SADY MIAINA NY HO AVY Ny Tsodrano omena ny mino ankehitriny dia atao tonga fiainana ny ankehitriny nefa manantena ny ho avy amin’ny fahatanterahana. Ankehitriny mifantoka amin’ny ho avy: Ho tanteraka ka arovana avokoa, ny aina sy tena ary ny fanahy tsy hanantsiny. Fahatanterahana tsy manantsiny, Fiangonana, kristiana miaina ny fiadanana, ny fihavanana sy ny fifankatiavana, ny fanantenany mifantoka ny amin’ny ho avy sady tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ny fijoroany ho mahatoky. Kristiana mandray sy miaina ny Tsodrano atolotra dia hahay manavaka ny tsara sy ny ratsy noho ny asan’ny Fanahy Masina. Kristiana mivelona ny Tsodrano ankehitriny miaina sahady ny fanantenana ny ho avy ary izany dia asehony amin’ny fomba sy fanao isan’andro. Andriamanitra miaro ny mino amin’ny lafiny rehetra mba hahamasina azy sy hahatakarany fa tsy ny eto ihany no andrandraina fa ny ho avy amin’ny fiverenan’i Kristy indray amin’ny fotoana voatendry ka hisehoan’ny famirapiratan’ny Voninahitr’Andriamanitra ao amin’ ny Fanjakany mandrakizay. Eo anatrehan’izany, satria Andriamanitra masina no manamasina ny mino, dia asehoy eo amin’ny fiainantsika isan’andro izany fahamasinana izany. Aoka ho masina sady voatokana isika satria Masina ny Tompo Andriamanitsika izay miaro antsika mba ho tanteraka sady tsy hanan-tsiny.
Posted on: Mon, 30 Sep 2013 14:19:06 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015