« [Fiarahabana, sy fananarana mba hitondra tena mendrika ny - TopicsExpress



          

« [Fiarahabana, sy fananarana mba hitondra tena mendrika ny Kristiana] Simona Petera, mpanompo sy Apostolini Jesosy Kristy, mamangy izay efa nahazo finoana soa tahaka ny anay aminny fahamarinani Jesosy Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy: [* Na: ny fahamarinanAndriamanitra sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika] » (2 Petera 1:1) « hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana aminny fahalalana tsara anAndriamanitra sy Jesosy Tompontsika. » (2 Petera 1:2) « Efa nomenny herinAndriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka anAndriamanitra aminny fahalalana Ilay niantso antsika taminny voninahiny sy ny fahatsarany*; [* Na: [taminny voninahitra sy ny fahatsarana] » (2 Petera 1:3) « ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray aminny fombanAndriamanitra aminizany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo aminizao tontolo izao noho ny filàna; » (2 Petera 1:4) « koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka aminny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary aminny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, » (2 Petera 1:5) « ary aminny fahalalanareo dia fahononam-po, ary aminny fahononam-ponareo dia faharetana, ary aminny faharetanareo dia toe-panahy araka anAndriamanitra, » (2 Petera 1:6) « ary aminny toe-panahinareo araka anAndriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary aminny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra. » (2 Petera 1:7) « Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelanizany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo aminny fahalalana tsara ani Jesosy Kristy Tompontsika. » (2 Petera 1:8) « Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa jamba ka tsy mahajery lavitra, sady nanadino ny nanadiovana azy taminny fahotany voalohany izy. » (2 Petera 1:9) « Ary aminizany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay; » (2 Petera 1:10) « fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any aminny fanjakana mandrakizay, izay ani Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika. » (2 Petera 1:11)
Posted on: Sat, 19 Oct 2013 18:35:24 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015