HIHAONA AMINAO Ny fanatrehanao, ny fiandriananao No faniriako - TopicsExpress



          

HIHAONA AMINAO Ny fanatrehanao, ny fiandriananao No faniriako miloatra avy ao am-po Ny voninahitrao mamirapiratra Nisarika ahy haniry fatratra Hihaona Aminao Fa ny fanahiko mangetaheta Anao Ny saina sy ny fo miandry mitalaho Raha toa ka mety Ianao na tsy mendrika aza aho Henoy izao faniriana izao Hihaona Aminao Mba henoinao Ry Ray zany fanirianay Te hihaona eti izao hiankohoka hitsaoka Anao Tompo ô!Miandrandra Anao izahay Hidera Anao ilay Mpanjakanay Hidera Anao anio mandrakizay Mankalaza Anao ry Ray tonga eto aminay Be ny voninahitrao mameno izao rehatrizao Tompo ô mitsaoka Anao izahay Midera Anao ilay Mpanjakanay VONJY
Posted on: Sat, 23 Nov 2013 18:24:56 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015