MofonAina Alakamisy 31 Oktobra 2013 MISAINA NY ZAVATRA ANY - TopicsExpress



          

MofonAina Alakamisy 31 Oktobra 2013 MISAINA NY ZAVATRA ANY AN-DANITRA Efes 2:4-6 Fa Andriamanitra (...) nahavelona antsika niaraka tamini Kristy (...) ary niara-natsangany isika, ka niara-napetrany any an-danitra ao amini Kristy Jesosy. Raha mampibanjina ao an-tsaina ny fotoana lehibe hitranga atsy ho atsy isika, dia tsy mba ho osa eo aminny toetra. Ho tsapantsika fa miaina ao anitinny fanatrehanAndriamanitra isika; ary ho gaga sy talanjona isika ka hisaintsaina ilay baiko manao hoe: Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra. Oviana isika vao hiantehitra aminy aminny fahatokiana tanteraka, ka hiaina fiainana ambony sy madio ary voatokana? Hatraiza ny haavonny fanakaranny saintsika rehefa nohamasinina sy tarihinny hatsarani Kristy! Afaka mandray aminny voninahitra ao aminny tontolo mandrakizay ho avy isika. Afaka miaina ho toy ny mahita Azy izay tsy hita maso isika. Mandehana araka ny finoana, fa tsy araka ny fahitana (...) Aminny fandinihina ny Soratra Masina no hahalalantsika ny tombam-bidintsika amini Kristy, sy ny tombam-bidiny eo anatrehantsika. Aminny fibanjinantsika Azy no hahatonga antsika ho voaova, ho mpiara-miasa aminy, ho iraka solon-tenany. Tsy maintsy mianatra isika hahatsapa fa tokony hivelona ho toy ny zanakalahy sy zanakavavinAndriamanitra, ho tianAndriamanitra fatratra aloha, ary ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika. Tokony hanana fiainana madio sy tanteraka isika noho ny aminni Kristy. Tokony ho tia ny fahantanterahana isika satria i Jesosy no fahantanterahana tonga nofo, ivo lehibe manintona ny saina. Tokony hiainantsika amim-pinoana Ilay ZanakAndriamanitra ny fiainana iainantsika ankehitriny. Raha manaraka ani Kristy isika, dia tsy hanana fanandramana vetivety, na ho taitra ny aminny zava-misy ka ho voataonanizay manodidina antsika. Aoka tsy havelantsika hifehy antsika ny fahatsapana , ka hirona aminny fanahiana, fitsiriritana, fitsikerana, fialonana ary fireharehana.
Posted on: Thu, 31 Oct 2013 01:38:34 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015