Ambohimanambola Masindray - 16 juin 2013 Mbola handoa ny - TopicsExpress



          

Ambohimanambola Masindray - 16 juin 2013 Mbola handoa ny karaman’ny FRAM foana ve isika ? ianareo no mamaly an’izany. Miala tsiny aho amin’ireo izay namantsika tonga eto ireto, CT sy CST. Izy ireo ve manaiky, izaho ve hanaiky hoe atao minisitra FRAM, atao CT FRAM ? Fa maninona ny zanaka Malagasy no atao an’izany ary maninona ireo mpampianatra Malagasy no atao an’izany nefa ireo no mamolavola ny fiainantsika ? Raha misy ny vola dia aloavy ny karaman’ireo satria ny vola hanaovana fifidianana efa misy ao omen’izao tontolo izao. Fa raha mbola misy ny volam-panjakana dia alefaso ny fifidianana ary aloavy ny karaman’ny mpampianatra mba hahafahany miaina ohatra ny olona rehetra. Lazaina foana fa misy ny volam-panjakana ka maninona ary no tsy aloa ny vola mba tsy ho vesatra ho an’ny ray aman-drenin’ny mpianatra .
Posted on: Sat, 22 Jun 2013 14:50:49 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015