Lasa ianao tsy niherika intsony Nandray lamba tapa-kevitra - TopicsExpress



          

Lasa ianao tsy niherika intsony Nandray lamba tapa-kevitra fa hiainga Any aminy angamba mahafinaritra kokoa Sahinao no nidila ny lalako Nefa izaho tsapako fa mbola tia Marary ahy ny tenako nanimbinana Tsy nampoiziko ianao hahavita izany Tampoka, tampoka tsy mahalehilahy Fony isika vao nifankalala Hoatry ny tsy ho faty ny aina Tsy nifankafohy, mifampitaritarika Mifanadala!! aoka fotsiny hoa an!! Malala a! hamonon-tena teo izaho Valio fa aleoko tsy mihaina tsy eo ianao Ho kaloiko fa ny amintsika ho doria Sanatria ny hivadika dia sanatria Ny hiafarany anagamba hijanona ho mpinamana Fitiavana mampikiky sy mampitomany Mankalao nefa tolo-Janahary Ekeko raisiko am-pitiavana Famerenana: Fony isika vao nifankalala Hoatry ny tsy ho faty ny aina Tsy nifankafohy mifampitaritarika Mifanadala!! Aoka fotsiny fa mankarary fo Mankarary fo..#marary_fo
Posted on: Tue, 01 Oct 2013 14:11:21 +0000

Trending Topics



Recently Viewed Topics




© 2015