TSY MITOVY NY FANATISME SY NY FINOANA,KA MBA ATSAHARO NY - TopicsExpress



          

TSY MITOVY NY FANATISME SY NY FINOANA,KA MBA ATSAHARO NY FANDRANGITANA FA SAMY MALAGASY DAHOLO ISIKA ROAPOLO TAPITRISA ETO MADAGASIKARA Hoy i Andriamatoa Maurice Tsihiavonana tao aminny Radio Viva tandroany Talata 29/oct/2013 talohany aminny roa ora tolakandro,rehefa nanakivy ireo mpomba ny Filoha teo aloha Andriamatoa Marc Ravalomanana ka nampitovy ny zanaki Dada aminireo Silamo mahery fihetsika,ary nandray ny mpino Silamo ho Fanatiques izy . Ry Andriamatoa Maurice! tsy fahalalana ve sa fankahalana ny finoana Silamo tafahoatra sy ireo mpanaraka izany finoana izany? Izahay dia nianatra sady nandalina izany finoana Islam izany manomboka ny a ka hatraminny z,ary bien qualifié fa tsy tahaka ny sasany mianatra azy io aminny alalanny haino amanjery izay natao hanapotehana ny Islam. Raha maheno ny zavatra teneninao dia mizara roa ny fandraisako azy; 1-Tsy fahalalana 2-Fankahalana ara-pinoana tafahoatra Araka ny fandalinana nataoko mahakasika ny Finoana Islam dia tsy misy eto antàny ireto zavatra manaraka ireto fa zavatra foronina fotsiny: -Islamisme -Islamisation -Terrorisme Islamique -Fanatisme Islamique Fa raha misy mihizingizina ka miteny fa tena misy tokoa ireo zavatra ireo dia ndao an-databatra boribory anatrehanizao tontolo izao. Azavaiko aminao ny atao hoe Finoana;Ny fanatanterahana ny baiko sy didini Tompo ilay Nahary sy fizorana aminny sori-dalanny Iraka izay nalefany ninoninona ny toe-javatra misy. Fa ny Fanatisme kosa dia ny fifikiranao aminny tsimaintsy hanarahana ny foto-kevitrolona anankiray na dia tsy anatinny fahamarinana izy. Angaha raha misy Palestinien na Arabo namono ny tenany,moa ve ny finoana Silamo no naniraka azy hanao izany? Ary ireny Raiaman-dRenintsika maty noho ny zava nisy taminny taona 1947,inona ary ny fiantsoanao azy ireny:Fanatiques sa mahery fo??? Nisy taminizy ireny mpino silamo,kristianina ary mpanaraka fomban-drazana,ambarao ahy ny fiantsoanao azy ireny,inona? Ary raha misy mpanaraka finoana hafa ankoatry ny finoana silamo manao asa fampihorohoroana,ataontsika ohatra mpino kristianina;mbola tsy naheno aho fa nantsoinareo aminanarana hoeKristianina mahery fihetsika na Terroriste chrétien. Tsy izay zavatra avoakanny haino amanjery ireny dia marina daholo. Raha tsy hainao momba ny silamo sy ireo mpanaraka azy,ka te hahafantatra izany dia afaka hampianatra anao izahay.Fa ny fankahalàna sy fandratsiana tahakireny dia tsy ekehinay mandrakizay. Efa nekehinny firenentsika ny politika laika,ka tsy misy mampiavaka ny foko 18 fa samy manan-jo mitovy daholo fa tsy sanatria ireo mpino silamo malagasy dia ho raisina ho vahiny lava antàniny.
Posted on: Tue, 29 Oct 2013 12:54:34 +0000

Trending Topics



ica? A: In fact it
Gf.---> ลืม!!!!ๆๆๆ
JOB VACANCIES FOR MALDIVES GOVERNMENT HOSPITALS NURSES (Female)
- Feliz Dia para vos , que estuviste en las buenas y en las malas
JACK DANIELS was found dead 2day by JOHNNY WALKER at SAVANNAH

Recently Viewed Topics




© 2015